Politique

Magro Behoririka Tsy mila mpanongam-panjakana, mody i Simao


  • Alarobia 02 Febroary 2011

Fanakianana an’i Simao sy ny sori-dalana vaovao nataony no nanakoako tao amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly talata 01 febroary 2011. “Irak’iza i Simao ? Tsy ny vazaha no tompon’i Madagasikara”, hoy ny Révérend Ndrianalijohn.

«Ianao ve Simao mahazo alalana amin’ny SADC sy GIC amin’ny famahana ny olana eto ? Tsy fantatrao fa hiteraka olana hafa indray ity sori-dalana atolotrao ity», hoy ny nanampian’Ignace izany. Ohatra ny hoe filohan’ny Repoblika faha-4 mantsy i Andry ao anatin’izy io fa izy no manendry ny rehetra. «Diso fijery i Simao tsy mahita ny marina», hoy i Hery, Sekretera jeneralin’ny antoko Madagasikara Firaisankina. «Tsy ireny no hamerenana ny ara-dalàna”, hoy izy. “Samy mody an-taniny na Ravalomanana na Radidy ary i Simao. Tsy misy ampitahorina amin’ny taratasy tsy misy “en-tête” eto. Manamafy ny sazy ho an’ny FAT ny UA nefa zavatra hafa no eto», hoy i Constant Raveloson. Nivoitra tao koa fa ny ankolafy Zafy Albert dia tsy hiditra amin’iny resaka iny, ary raha iny no izy dia tokony ho tonga eto i Joaquim Chissano nampanao sonia fa rava ny Maputo ka iny no solony.

Tonga tao Behoririka io omaly io rehefa elaela tsy hita (3 volana) ny sekretera jeneralin’ny antoko MFM, Rakotovazaha Olivier, araka ny fantatra dia avy nanantevim-pahalalana momba ny demokrasia tany Le Cap (Afrika Atsimo) ny tenany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT