Politique

Magro Behoririka Tonga ny avy amin’ny Faritra, niditra kianja i Guy Maxime


  • Alatsinainy 16 Mey 2011

Manomboka tonga eto Antananarivo ny avy any amin’ny Faritra hanatevin-daharana ny rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana.

 Nisy tamin’izy ireo no efa tazana teny Andranomena ny alakamisy 12 mey, andro nanateran’ny mpanohitra taratasy teny amin’ny masoivoho Amerikanina, halefa amin’ny Sekreteram-panjakana amerikanina, Rtoa Hillary Clinton. Manao tohivakana ny fahatongavan’ny hafa, ary nanatevin-daharana ny hetsika teny amin’ny “Villa Elisabeth” sy tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Solontena izy ireo, nijoro vavolombelona amin’ny fahoriana iainan’ny vahoaka any amin’ny Faritra any, tratry ny ramatahora, ny fanararaotana ataon’ny mpitondra, ny fandrobana sy ny asan-jiolahy. Ampy izay niaretana ny mafy tao anatin’ny roa taona izay, hoy ny teny naverimberin’izy ireo, ka mila faranana izao krizy izao, ka ajoro ny tetezamita tena izy.

Tonga dia ambovonana ny tenin’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny fikambanan’ireo Ben’ny tanàna manerana ny Nosy, Ralaiseheno Guy Maxime, izay sambasamba niditra kianja tao Behoririka ny sabotsy 14 mey teo. Olona anisan’ny nitondra faisana tamin’izao fitondrana FAT izao ny tenany, niditra am-ponja nandritra ny roa volana teny Antanimora, noho ny fijoroany manohitra ny jadona sy ny ramatahora samihafa. Tsy misy toerana ho an’ny mpandroba, mpandoro tanàna, mpanongam-panjakana eto, hoy izy. Tsy maintsy miverina koa ireo sesitany politika rehetra, dia miroso amin’ny fampihavanana. Ajoro ao anatin’ny tenierana aorian’izay ny tetezamita tena izy, iaraha-mitantana. Nisafidy ny toerana tao amin’ny Magro i Guy Maxime, niantsoana ireo mpiasam-panjakana ho sahy hijoro sy handray andraikitra. Fotoana izao, hoy izy, hiaraha-mientana handresena ny jadona. Nambarany fa dia tsy hipetra-potsiny izy ireo, fa dia ho avy hanome tanana ireo izay mbola misalasala any an-toeram-piasana sy toeram-pianarana samihafa any.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT