Politique

Magro Behoririka Tetezamita tsy misy Andry Rajoelina no izy


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011


Niverimberina io nandritra ny hetsiky ny ankolafy telo tao Bahoririka ny sabotsy teo. Ny vahoaka malagasy no tompon-tsafidy amin’izay tiany hitondra azy, hoy ny Printsy Elakovelo izay nanohy fa ny ankolafy telo dia vonona handray ny FAT ary manaiky ny fiaraha-mitantana fa tsy misy an’i Andry Rajoelina ao anatiny. Nanamafy izany i Camille Mektoub tamin’ny filazana fa raha tia tanindrazana ny Malagasy dia tsy mbola fifidianana no ao an-tsaina fa ny famahana ny krizy misy eto amin’ny firenena. Notsiahiviny fa dimy taona lasa izay dia hitan’ny Frantsay fa ho lasa lavitra i Madagasikara ka ho very ny momba azy, dia nofinganina ny Filoha Marc Ravalomanana. Mbola notohizan’ny Pasitera Edouard koa aza izany fa betsaka ny vahaolana amin’ny fialàna amin’ny krizy fa ny fialan’i Andry ihany no tsara indrindra. Efa natao avokoa ny fomba rehetra : niresaka, nanao sonia…na tany ivelany na teto fa tsy nahomby ary tsy lany olomanga i Madagasikara.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT