Niavaka ny hetsika tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly noho ny fidirana nivantana an-telefaonina nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana avy any Afrika Atsimo nanazava ny zava-nisy tamin’ny fandalovan’ny filohan’ny FAT tany Namibia sy tao Mozambika ny alatsinainy sy talata teo.
Niavaka ihany koa ny nandraisan’ny mpitolona vahiny avy any ampitan-dranomasina, dia ry zareo GTT Belzika izay noraisin’i Behoririka tamin-kafaliana tanteraka. Efa ela no nanirianay ho tonga eto ka tanteraka izany ankehitriny, hoy ry zareo. Tsy kivy ary tsy reraka koa izahay any Dilambato ary akaikin’ny foiben’ny Vondrona Eoropeanina. Nijoroan-dry zareo vavolombelona ny hetsika nataony tamin’ny fandalovan-dRajoelina tany izay voalazan’ireto GTT Belzika ireto fa tsy naharay lamba fa nahazo hafatra tamin-dry zareo tokoa.
Notanterahin’i Thiera Bruno tamin’ny antsakany sy andavany ny fampanantenana nataony tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka omaly, tao anatin’ny fanamarihany ny tsingerin-taona nahaterahany. Nahatratra 70 000 ariary no voaangona tamin’ny fanentanana nataony ka hatolotra ireo gadra politika (miisa 96 ankehitriny), maratra sy havan’ny maty tamin’ny tolona 2009 nataon’ny mpandala ny ara-dalàna.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.