Politique

Magro Behoririka Nanaraka akaiky ny fihaonana tany Gaborone


  • Alarobia 08 Jona 2011

Mbola niditra nivantana tao amin’ny Magro Behoririka avy any Gaborone i Manoela omaly nilaza fa «tena miasa tokoa i Marc Ravalomanana fa ny vavaka any an-tanindrazana no mila hamafisana”.

 Nanampy azy ny Depiote Zafilahy Stanislas, izay any an-toerana koa, nilaza fa : “tena afaka mody izy mianaka (Ratsiraka sy Ravalomanana). Mahavita ary mahery i Dada. Tsy misy tsangan-tanana aty ka hoe ho resy isika”. Dia nohamafisin’i Guy Maxime Ralaiseheno teny an-toerana izany tenin’izy mirahalahy izany hoe “tsy afaka intsony i Andry fa tsy maintsy manaraka izay tapaka ary ny Sadc mihitsy no mametraka fa tsy maintsy mody ny filoha roalahy kanefa fantatsika ihany ny toetran’i Andry ka mila mivonona isika fa miova isan’ora ny vaovao”.

Efa dibo-kafaliana ny mpitari-tolona toa an-dry Depiote Mamitiana ka nahasahy nilaza fa : “mijery midina tokoa ny Tompo. Kepoka ny FAT, mafy loatra ny firaisankinan’ny Ankolafy 3 sy ny namany ka nandresy ny ankolafy 8 hafa”. “Eny tompoko sisa no ataon’ny FAT any Gaborone”, hoy ny senatera Robert. Nofintinin’ny Depiote Rodin ny resaka fa “ho an’ny tanindrazana, ny taranaka ary ho an’ny rahampitso no nahateto antsika telo taona latsaka, afaka mitsiky isika ankehitriny. Ampy ary hita avokoa ny karazana lainga mety nisy”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT