May volon-tratra indray ny FAT taorian’ny fanambarana teny Ivandry afak’omaly ireny ka fiaraben’ny miaramila 6 be izao omaly no nanodidina ny kianjan’i Magro Behoririka ary tsy latsaka ny 4 koa ny 4x4 nivezivezy teo.
Avy amin’ny Emmo-Reg avokoa ireo. «Na dia misy aza ny mpampirisika dia tsy ho voan’ny resaka Malacam intsony isika», hoy ny Révérend Ndrianalijohn, ka hoe hampirisihana dia hitroatra. Manana fanjakana hantsangana isika ka izay no sahanina. «Tsotra ny hafatra teny amin’ny villa Elisabeth”, hoy Raveloson Constant. Ilain’ny vahoaka ny fanatrehan’ny Filoha roalahy ny dinika rehetra ary harovan’ny Firenena Mikambana ny fiverenany. Tadidio fa Rajoelina dia mandalo. Mpitondra lany daty izy, hoy ity olon’ny Mafama ity. Mametraka sy mandamina izany ny teknisianina, dia ny fodian’izy roalahy filoha sy fametrahana ny rafitra rehetra. “Miomàna isika fa farafahatarany amin’ny herinandro ny hetsika”, hoy i Jean Louis Rakotoamboa, filohan’ny antoko Teza.
Ny Depiote Zafilahy Stanislas kosa dia nanipika mazava fa “tsy ny Ankolafy telo no mampitarazoka ity krizy ity ary izay no nahatonga ny ankolafy 3 mandray andraikitra. Efa nigadranay ity ka tsy hamelanay. Ary tsy ny fanaovan’izao fitondrana izao amboletra no hahatafavoaka ny firenena”, hoy izy
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.