Politique

Magro Behoririka Miomana hamerina an-dRavalo eo amin’ny fitondrana


  • Talata 14 Jona 2011

Nifameno avokoa ary nifantoka tamin’ny toromarika nomen’ny SADC taorian’ny fivoriana nataon’izy ireo ny 11 sy 12 jona tany Sandton Afrika Atsimo ny kabary nifandimby tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly alatsinainy 13 jona.

Voaporofo izao fa tsy izy ny hevitra mandeha irery fa tsy maintsy tenierana sy iarahan’ny rehetra ihany no hamahana ny krizy eto Madagasikara, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Mila midinika ny samy Malagasy mialoha ny fanapahan-kevitra farany ka ny tondrozotra dia tsy azo atao sonia raha tsy tafiditra ny hevitry ny ankolafy 3 hanampy ny an’ireo ankolafy 8 efa nanao rango-pohy, hoy izy. Mazava ny  tenin’ny SADC, hoy i Fetison, fa terena ny FAT hanatanteraka ny fampodiana tsy ho ela ireo sesitany any ivelany. Terena koa izy ireo hanome fahalalahana ireo mpanao politika rehetra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana rehetra eto Madagasikara. Tokony haverina ny hasin’ny foloalindahy malagasy.

Nandresy isika, hoy izy, fa tsy tanteraka raha tsy tonga eto (Madagasikara) ny Filoha Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. «Mbola misy ny miahiahy ka velom-panontaniana hoe : tena ho avy tokoa ve ny Filoha Marc Ravalomanana, dia rahoviana ?», hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas. «Tsy misy sakana intsony ny valiny», hoy izy fa na dia anio dia anio aza dia mahazo mody izy. Raisintsika kosa anefa ny andraikitra amin’izany fiverenany an-tanindrazana izany, hoy i Zafilahy, izay nanamafy fa dingana ihany iny fa ny tanjona hotratrarina dia ny hamerina ny Filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana indray amin’ny alalan’ny fifidianana. Rtoa Ihanta Randriamandrato kosa no nanamarika fa matoa nahazo vokatra ohatra ireny dia nisy olona maro ihany koa tsy nikely soroka andro aman’alina tany ho any ankoatra ny teny an-kianja. “Ka manomboka eto dia ny maneho ny firaisankina amin’ny fiarovana ny fiverenan’ireo avy any ivelany isika”.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT