Nivoaka teny amin’ny Magro Behoririka omaly fa dia hanara-dia an’i Tiébilé Dramé (iraky ny Firenena Mikambana) sy Ablassé Ouedraogo (Vondrona Afrikanina) nanao fanelanelanana teto koa ny Dr Leonardo Simao (iraky ny SADC) raha izao no mitohy.
Mahavariana, hoy ny mpandaha-teny teny, ny tenin’i Simao hoe tsy miraharaha hazo tokana na vitsivitsy fa ny ala no jerena. Mila mailo isika, fa ny tsy ara-dalàna no terena ho ara-dalàna. Nametraka ny ahiahiny amin’ny fihetsik’Ingahy Simao, i Jeanson (Udempro) raha nitatitra ny fihaonan’ity iraky ny SADC ity tamin’ny Depiote Mamy Rakotoarivelo nilazany fa “tsy mahitsy fo ny ankolafy Ravalomanana amin’ny famahana ny krizy fa tsy maintsy miera amin’ity lehiben’ny ankolafy ity foana. Tsy mba tahaka an-dRaharinaivo izay tsara sitrapo nefa tianareo ho kitikitihana”. Tsotra anefa ny tenin’i Mamy Rakotoarivelo, hoy ny tatitr’ity mpandaha-teny ity, fa tsy “ankolafy Rakotoarivelo” ity fa “ankolafy Ravalomanana” ka izy no tompon’ny teny farany.
“Io ilay nolazaiko hoe hafahafa i Simao”, hoy ny Depiote Mamitiana Ravelonanosy, “raisiny avokoa ireo antoko sy vondron’antoko nandrafitra ny ankolafy Rajoelina ary an-kilabao ny Ankolafy Telo”, hoy izy. Ny manodidina ny fanambaran’ny Zanaky ny Atsimo Atsinanana teny Besarety afak’omaly kosa no nafonja tamin’ny tenin’i Camille Mektoub nilazany fa mbola fanombohan-javatra ireny fa tsy hihemotra intsony izahay. Ny filoha isany Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana no nanaiky an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita ary neken’izao tontolo izao nefa dia tsy nanaja izany izy ka ho hitantsika eo, hoy izy.
Ankoatra izay dia mbola nisy akony teny an-kianjan’ny Magro Behoririka omaly ny tsiaro ny alatsinainy maintin’ny 26 janoary 2009, ka nilazan-dRasoaniaina Malalatiana, mpitarika ny Vehivavy MFM, fa tsy misy afa tsy ny fanatanterahana ny sonia efa natao tany Maputo ihany no vahaolana manoloana izao fahapotehan’ny firenena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.