Politique

Magro Behoririka Madio tanana ny Filoha Ravalomanana


  • Talata 08 Febroary 2011

Raha fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato naorin’ny FAT ho fahatsiarovana ireo maty tamin’ny 7 febroary 2009 no teny Antaninarenina omaly dia fandefasana indray ny horonantsary nirakitra ny zava-nitranga tamin’io andro io kosa no tao amin’ny Magro Behoririka.

«Andro mainty sy mena androany (omaly) satria faha-2 taonan’ny 7 febroary”, hoy Raveloson Constant, izay nilaza “latsa vidin’aina ny fanolorana seza ao amin’ny Kongresy ireo manana olona maty, maratra” araka ny fampanantenan’i Andry Rajoelina ireo mpikambana ao amin’ny AV7. Ny razan’ny hafa no efa zatra nanongam-panjakana, hoy ihany i Constant, raha namaly ankolaka ny filazan’i Norbert Lala Ratsirahonana fa raha mila haverina ireny 2009 ireny dia mbola vonona indray izy. “Tsy diso mihitsy ny Filoha Ravalomanana tamin’ny 7 febroary iny”, hoy izy.

Nohamafisin’i Guy Roger izany tamin’ny filazany fa “madio tanana Ravalomanana”. Koa aza miahiahy fa hajao ny fahamarinana sy fahamasinana efa nijoroantsika, hoy Rtoa Berthine vehivavy avy amin’ny boriborintany faha-II. “Nisy ny vahoaka, tao ny nokaramaina fa nisy kosa ny tena niandrandra fiovana tamin’ny 7 febroary”, hoy ny Depiote Benjamin Ramamonjisoa saingy “maro tamin’ireny 7 febroary ireny no manenina ankehitriny”, hoy Rajo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT