Nitohy tao amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny Ankolafy Telo omaly. Saika niompana betsaka amin’ny mahazava-dehibe ny fihaonana izay hatao any Gaborone ny lahateny nifandimbiasana tao.
“Any Gaborone ny fanafody ka mila mankany”, hoy i Rostand Andriampilamanana, mpanolotsaim-paritra avy any Ihorombe. Nampahatsiahy ity farany fa i Andry Rajoelina dia efa niteny fa na aiza na aiza misy fanafody ho an’i Madagasikara dia ho avy izy, ka tokony handeha izy. Fa nanao setrin-teny mikasika ny filazan’i Andry Rajoelina tany Analavory ny sabotsy teo, fa handany andro hifampidinika intsony ny tenany rehefa tsy sonia sisa no hatao any Gaborone, i Camille Mektoub ka nilaza fa “i Andry Rajoelina no matahotra hametraka indray ny sonia” sao hanao toy ny tany Maputo sy Addis abeba, izy ihany no nivadika tamin’izany ka izao iaraha-miaina izao ny fiantraikany. Na mandeha na tsia i Andry dia voavaha ny krizy, hoy ity depioten’i Mananjary teo aloha ity. Ho an’i Sazalahy Tsianihy, mpitari-tolona avy any Toliara, koa dia fandresena no andrandrainy any Gaborone. Ny tsy fandehanana any dia midika fampanjakana ny gaboraraka eto, araka ny filazany. Ny tena tia tanindrazana sy ny raiamandreny dia hihazakazaka ho any, hoy kosa ny fanazavan’i Ignace. Ny zava-mitranga any Honduras kosa no nisarihan’i Zafilahy Stanislas ny sain’ny maro, raha nandray fitenenana izy. Niverina an-tanindrazana mantsy ny filoha Manuel Zelaya, izay nisy nanongana tamin’ny 2009. Nanetriketrika ny fitsenana azy ny sabotsy 28 mey teo. “Ho avy koa ny Filoha Marc Ravalomanana, aza matahotra ny amin’izany. Horaisintsika an-tanana ny famerenana azy ka asehoy dieny izao fa vonona amin’izany isika”, hoy i Zafilahy.
Manohy
SARY : Sazalahy Tsianihy tetsy amin’ny Magro omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.