Politique

Magro Behoririka Be fanantenana ny Ankolafy Telo


  • Talata 07 Jona 2011

Naharavo ny mpitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly ny fidirana nivantana an-telefaonina nataon’i Manoela avy any Gaborone nampahafantatra fa «salama tsara ny filoha Marc Ravalomanana ary mila hamafisina ny vavaka».

«Ny fodiany tsy misy fepetra ary ny filatsahany hofidiana no tarigetra voalohany», hoy izy. Nifanandrify tamin’izany tanteraka ny nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno teny an-toerana hoe : «ny andrasana ao anaty sata dia andalana 1: tsy filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina ; andalana faha-2 : miala i Camille Vital sy ny governemantany ; faha-3 : afaka mirotsaka ny rehetra afa tsy ny mpanongam-panjakana sady tsy ampy taona ; Faha-4 : fametrahana ny tena demokrasia».

Mbola tetsy Behoririka ihany saingy fanontaniana kosa no napetraky ny Depiote Rodin nilaza “fa maninona tokoa no tsy mahasahy manonona ny anaran-dRavalomanana Marc ianao fa ilay filoha teo aloha foana ?” ary nampiany fa “aza ampiadiana ny olona efa nihavana fa tsy ho tanteraka ny fisaraham-bazana”. Efa lasa lavitra ny sain’ny solontenan’i Toamasina raha nanambara fa «ampilazana iray andro mialoha i Toamasina rehefa ho tonga tokoa i Dada, dia hanao rodobe any amin’ny toerana teneniny ny vahoaka avy any». Mbola lavidavitra noho izany aza ny nambaran’i Sazalahy Tsianihy nilaza fa : «hafarana ny faritra rehetra ho avy eto Antananarivo mialoha ny alarobia, hitsena ny lehiben’ny rodobe profesora Zafy Albert ary iriana hiaraka aminy ny ny Filoha roalahy».

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT