Politique

Magro Antsirabe Tsy nandaitra ny tsaho, nafana ny hetsiky ny zanak’i Dada


  • Alatsinainy 16 Mey 2011

Nafana tanteraka ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 14 mey 2011 lasa teo na dia nisy aza ny tsaho ninian’ny sasany naely fa hisy ny korontana ka nahatonga ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Reg ho tonga maro be ny vao maraina.

 Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpitarika izay notarihin’ny senateran’i Vakinankaratra teo aloha, Lanto Rabenatoandro sy Dadamanana tamin’ireo avy ao amin’ny Emmoreg ka afaka nanao ny hetsika ihany ny zanak’i Dada. Nandritra ny lahateny nifandimbiasana no nanazavan’Atoa Lanto Rabenatoandro fa “aoka tsy hofitahana ny mpitolona Antsirabe mahakasika ny kongresy hataon’ny antoko Tiako i Madagasikara izay iniana voizina indray tato ho ato satria ny Tiako i Madagasikara izay miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana dia izay tarihin’Atoa Mamy Rakotoarivelo ihany ka tsy mbola misy izany kongresy lazain’ny sasany izany”. Notsindriany mafy koa fa “raha ny mpitarika eto Vakinankaratra dia tsy nisy ny niditra ao amin’izao fitondrana tetezamita izao raha tsy efa mipetraka mazava ny tena fiaraha-mitantana tena iraisan’ny rehetra ka na inona na inona fitadiavana fankatoavana dia iaraha-mahita fa efa tapi-dalan-kaleha ny FAT amin’izao fotoana izao”, hoy izy ireo.

Maro moa ireo nifandimby nandray fitenenana taorian’izay ka anisan’izany ny Depioten’Antsirabe I teo aloha, Ernest Rakotoamiandrisoa, izay efa nahita fonja niaraka tamina olona roa hafa, rehefa nosoketain’ireo nisintaka tao amin’io Magro Avaratsena io, Dadamanana, ny avy ao amin’ny SOLVA ary ny avy amin’ny MFM. Hitohy hatrany ny hetsika hatramin’ny datin’ny 20 mey ho avy izao araka ny nolazain’ireo mpitarika hanaporofoana ny fitakiana amin’izao jadona sy gaboraraka ataon’ny fitondrana tetezamita izao ary matoky izy ireo fa olon-kendry ny ao amin’ny SADC ka mahalala ny tokony hatao. Tiana moa ny manamarika fa anisan’ny nampatahotra ireo mpitolona ny resaka nataon’ireo mpandoto rano tamina haino aman-jery iray tao Vakinankaratra ka nahatonga ireo mpitandro filaminana saika handrava ny hetsika tamin’io sabotsy io ihany, saingy tsy nandaitra ny fanaratsiana ireo mpitarika tao amin’ny Magro sy tsaho nafafy fa tontosa ny hetsika ary hitohy.

 
Caïus R.
 

Sary : Nafana ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 14 mey 2011 (Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT