Politique

Magro Antsirabe Mitohy ny tolona !


  • Alakamisy 19 Mey 2011

Mafana isan’andro amin’izao ny hetsika ataon’ny zanak’i Dada ao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe mandra-pahatonga ny datin’ny 20 mey 2011 izao.

 Ankoatra izay, araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpitarika dia hisy ihany koa ny mpitolona avy ao Vakinankaratra hanatevina ny aty Antananarivo hatrany. Raha ny niseho ny alarobia 18 mey teo dia vory maro tokoa ny olona ary hita fa liana amin’ny mety hitranga ny amin’ny fivorian’ny SADC rahampitso, ary raha ny hita dia saika nahatonga solontena avokoa ireo sampana misy ao amin’ity mpitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ao Antsirabe ity toy ny mpanera, renim-pianakaviana, ireo zokiolona ary ireo sefo fokontany maro ao Antsirabe I. Nisy moa ny fanangonan-tsonia teo am-pamaranana ary dia nalefa any amin’ny filoha Ravalomanana izany mba ho fanohanana azy amin’ny fiatrehana ny fivoriana izay ataon’ny SADC mba ho tohana fa misy ireo vahoaka maro be mbola miandry ny fiverenany ao Vakinankaratra. Fa ankoatra izay dia nisy ihany koa ny mpikambana avy ao amin’ny GTT Réunion nanotrona ity hetsika ny alarobia teo ity. Mbola hasaina hatrany, hoy ireo mpitarika ny mpitolona rehetra sy izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao ho tonga maro mandra-pahatonga ny datin’ny 20 mey satria tsy hiato intsony ny tolona manomboka eto fa dia isan’andro.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT