Seho hanasongadinana ny gadona gospel ranoray no hatolotry ny tarika TGC, ny GMMC ary ny Singers of Jesus etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina rahampitso tolakandro ao anatin’ny fampisehoana “Madagascar Gospel Celebration”.
Raha ny fanazavan’i Fidy, mpikarakara sady mpitarika ny TGC ihany koa dia fotoana hampitana hafatra momba ny firahalahiana sy ny fitiavana ary ny fifamelana ao anatin’izao vanimpotoana manahirana eto amin’ny firenena izao io seho io. Ny tanora moa no tena kendrena satria anisan’ny gadona tena ankafizin’ny tanora ankehitriny ny gospel. Mampanantena seho raitra ry Fidy satria hisy ny fampiaraham-peo sy fihetsika ataon’ny tarika telo ankoatra ny anjarany avy. “Tsy hisy mihitsy ny fiatoana mandritra ny adiny telo fa mitohy foana ny lanonana. Ny olona eny an-tsehatra no mety hisolosolo”, hoy hatrany izy.
Fanamafisam-peo vaovao hiaka farany koa no hampiasaina. Santatra ihany ity fampisehoana rahampitso ity fa ny tanjon’ny mpikarakara dia ny hanatontosa azy isan-taona sy ny hisokafany amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. “Hisy ny fanasana tarika avy any amin’ny faritra sy avy any ivelany amin’ireo andiany manaraka raha fanambinay kosa ny hahatonga azy ho festival iraisam-pirenena momba ny gospel voalohany aty amin’ny faritra Oseana Indiana afaka taona vitsy”.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.