Politique

Lezava Fleuris Hiverina ny 1972 …


  • Alarobia 23 Febroary 2011

Nanomana fifanakalozan-kevitra nanazavany ny momba ny politika ijoroany sy ny tetikasa fampandrosoana tiany hoentina eto Madagasikara, ny fikambanana politika «Harena» tarihan’i Lezava Rabarison Fleuris.

Ny sabotsy 19 febroary teo no nanomanan’izy ireo izany tao amin’ny efitrano filanonan’ny Congrégation Chinoise Ampasimazava Toamasina. Nambaran’i Lezava Fleuris fa mijoro amin’ny «fametrahana fanjakana repoblikana ary ny fitantanan-draharaham-panjakana manakaiky vahoaka», ny antokony. Fa nanome ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena koa ny Harena, ka nambarany fa «tsy mbola miditra Repoblika faha-04 izany isika hatramin’izao, fa mbola tetezamita hatrany. Tsy mbola misy olom-boafidy eto, tsy manana ny fitomboka ho azy manokana ny Repoblika voalaza ary tsy voavaha ny krizy, fa mbola eo am-pandaminana azy ny sehatra politika hatramin’izao». Nomarihan’ny fikambanana politika Harena mihitsy aza fa «tsy mifanaraka amin’ny tena hetahetam-bahoaka ny lalàmpanorenana nakana ny heviny teo. Zaitra vitrana sy lalana safiotra ary natao bemiray fotsiny iny, ary ny mpahay lalàna, na ny eo anivon’ny FAT aza milaza koa fa lalàmpanorenana faran’ny ratsy tao anatin’ny 50 taona iny lalàmpanorenana hitondrana ny Repoblika faha-04 iny».

Ankoatra izay dia manahy ny hisian’ny korontana indray i Lezava Rabarison Fleuris raha mitohy izao fampiasana hery sy fametrahan-tena ho ‘filoham-pirenena’ nefa tsy voafidim-bahoaka izao. «Efa niaina tahaka izao isika ny taona 1973 tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka nataon’ny Jeneraly Ramanantsoa. Roa taona taty aoriana, voatery nametra-pialana izy ary namindra fahefana tamin’ny Kolonely Richard Ratsimandrava izay tsy nitondra herinandro dia nisy namono. Raha mitohy anefa izao ataon’ny FAT izao, matahotra ny fiverenan’ny tantara izahay ary tsy hahatody ‘iny lalana iny’ any amin’ny fifidianana ny FAT sy ny ekipany», hoy i Lezava Fleuris namarana ny teniny.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT