Mialoha ny 20 mey 2011, raha ny ako sy feo avy amin’ny Ankolafy 3, dia ny ankolafy Ratsiraka, Zafy ary Ravalomanana dia betsaka ireo hetsika hatao.
Ankoatra ny amin’ny 12 mey hanaterana taratasy fisaorana eny amin’ny masoivoho amerikanina eny Andranomena dia mety hotanterahina eto Madagasikara ihany koa ny fihaonan’ireo lehiben’Ankolafy efatra, dia Andriamatoa isany Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy Albert ary Rajoelina Andry miaraka amin’ireo firehana hafa. Araka ny vaovao dia mialoha ny 20 mey no mety hanatanterahana io fihaonana io eto Madagasikara. Ny olana foana moa hatreto dia ny fanakanan’ny FAT ny amiraly Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana, sy izay fomba mety hanatanterahana izay ho tapaka amin’io fihaonana io. Iaraha-mahalala mantsy fa tsy vao izao no nisy fihaonana teo amin’ireo efatra mirahalahy ireo kanefa saika nandamoka avokoa ny fampiharana izay tapaka noho ny fivadiham-pitenenan’i Andry Rajoelina.
Ho an’ny Ankolafy 3 moa dia mazava ny resaka : efa lany andro ny FAT, karazan’ny tsy misy intsony ary dia tsy misy vahaolana afa tsy ny fiverenana midinika an-databatra boribory hahitana izay hamahana ny krizy, amin’ny alalan’ny fananganana ny tena tetezamita iarahana mitantana, tsy mirona amin’ny atsy na ny eroa ary eken’izao tontolo izao. Io rafitra io no hanomana ny fifidianana rehetra eo ambany fiahian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.