Tsy kivy araka ny fieritreretan’ny sasany azy ny zanak’i Dada taorian’ny zava-niseho tamin’ny sabotsy teo, teny Ivato fa vao mainka nahazo hery aza ary vonona ny hanohy ny tolona hiverenan’ny ara-dalŕna hatramin’ny farany. Fanehoan-kevitra hatrao amin’ny Magro Behoririka ka hatrany amin’ny Faritra samihafa.
Rahery Be Legalista (Antananarivo)
«Izahay tsy malahelo amin’ny tsy fahatongan’ny Filoha Ravalomanana fa fandresena lehibe ho an’i Dadanay iny tamin’ny sabotsy iny. Nanaporofo ireny fa ny Filoha Marc Ravalomanana ihany no tian’ny vahoaka. Noho ny fanakantsakanana no tsy nahatongavany, midika izany fa matahotra ny fahatongavany ny FAT. Izahay mbola vonona ny hiandry satria izy efa nampanantena fa tsy maintsy ho avy ary dia mbola vonona hanohy ny tolona ety an-kianja izahay”.
“Rentsika ny rivodoza Bingiza izay nandrava 80 % ny tanànan’i Mananara. Tao anatin’ny fanarenana izahay no nanapa-kevitra ny hiakatra aty Antananarivo rehefa naheno fa ho avy i Dada. Tsipaipaika no nahazoana namonjy an’Ivato sy hiverenana any an-tanàna ary fitiavana ny tanindrazana sy ny Filoha Ravalomanana no nahatonga anay ho avy. Miandrandra ny fahatongavany izahay ary mbola ho avy indray saingy mba manipy teny amin’ny mpiara-mitolona rehetra mba hanampy an’i Mananara Avaratra fa sahirana noho ny fahapotehan’ny tanàna ny any”.
“Olona resy lahatra tanteraka amin’ny fiverenan’i Dada ny any amin’ny Faritr’i Betsiboka ka na izahay delegasiona tonga aty na ireo tsy nandeha dia samy nanome ny tsirambin’ny tanany hananana solontena teny Ivato. Tsy kivy izany izahay ary vonona ny mbola hitsena an’i Dada amin’ny tena fahatongavany tsy ho ela”.
“Izahay delegasiona boaka Diégo mankamafy ny fitenenana fa tahotra an’i Dada ny fisakantsakanana ny fahatongavany. Izahay mbola vonona ho aty Tanà rehefa tena avy izy”.
“Niaraka izahay avy any Ambato Boeny sy Marovoay sy Mahajanga II ary Mahajanga I ka nahatratra 200 olona no tonga teny Ivato. Gaga izahay avy any Boeny fa ny filazan’ny FAT mikasika ny fahatongavan’ny Filoha Ravalomanana dia hoe aleo ho tonga hotsaraina nefa sakantsakana no zava-nisy. Hita fa tena mahahotra ny Filoha Marc Ravalomanana ny fitondrana FAT sy ny mpomba azy. Porofo hita maso ny fahafenoan’olona teny Ivato, tsy mba notambazana vola izahay avy any amin’ny Faritra fa tamin’ny fo madio no nitsenana ny Filoha Ravalomanana. Mbola ho eo foana izahay ary tsy mody raha tsy tonga i Dada”.
“Tsy kivy tamin’ny zava-niseho fa hery lehibe ho antsika ireny. Mbola ho avy izahay amin’ny manaraka ary mbola hanao tsipaipaika indray hahatongavana aty Antananarivo. Mba maniry ny fidiran’ny mpitari-tolona sy ny Filoha Marc Ravalomanana an-telefaonina mivantana izahay rehefa manao fivoriambe any aminay”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.