Raha nangingina teo aloha teo ary tsy dia hita firy maneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny antoko Leader Fanilo dia nifoha tamin’ny torimasony ka hanomboka ny fihaonambem-paritra. Hisantarana izany amin’ity anio ity ny any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany.
Araka ny fanazavan-dRakotonirina Jean Claude dia natao izao hetsika izao mba hahafahana mijery ny zava-misy sy ny fiainan’ny antoko ao anatin’ireo distrika 6 any amin’ity faritra ity. Ilaina, araka ny nambaran’ity mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny Leader Fanilo ity, ny mijery sy mamantatra na mbola mihodina tsara araka ny tokony ho izy ny fomba fiasan’ireo birao mpanatanteraka isam-paritra. Raha napetraka sy natsangana mantsy izy ireny dia ilaina koa ny fanaraha-maso azy, araka ny fanazavany ihany ka izay no tsy maintsy hanaovana izao fihaonambem-paritra izao.
Ankoatra izay dia fotoana iray ihany koa ny hetsika tahaka izao, araka ny fanazavany ihany mba hampitan’ireo iraka manokana avy amin’ny birao nasionaly ny hafatra amin’ireo mpitarika sy mpikambana any amin’ny faritra. Hitohy any amin’ny faritra hafa ity hetsika ity, araka ny fanampim-baovao voaray ihany ary dia hisy any amin’ny farany ny fihaonambem-pirenena hotanterahana eto
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.