Politique

Lapan’ny Fitsarana Anosy Nanjavona ny dosien-dry Fetison


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Vao maraina dia efa tonga marobe teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny mpitolon’ny Ankolafy Telo mba hanotrona ny fitsarana an-dry Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas, Pasitera Tsarahame Edouard sy hankahery azy ireo

Tsy hita teny an-toerana anefa na dia ny salovan-tavan’ireo aza. Ireo lehilahy miisa 13 izay voarohirohy ho nanao fanimbana fananan’olona nandritry ny fihetsiketsehana tamin’ny taon-dasa no tazana teny. Niditra tao amin’ny toeram-pitsarana izy ireo dia navoaka avy eo ary nihazo avy hatrany ny fonja rehefa fantatra fa hahemotra ny fitsarana ny raharaha. Amin’ny 8 febroary ho avy izao no hanatontosana an’izany raha araka ny vaovao azo tao Anosy. Amin’io ihany koa izany no hotsaraina i Fetison Andrianirina sy ny namany. Ny anton’izany dia fantatra, araka ny fanazavan’ny mpiaro ireo farany, ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa noho ny fanjavonan’ny dosie momba ny raharaham-pitsarana. Izany hoe na ny fanadihadiana tany amin’ny mpitandro ny filaminana na ny fanadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana dia indray nanjavona avokoa ka tsy tonga teny am-pelatanan’ny mpitsara tokony hiandraikitra izany.

Tezitra ny olona nanatrika tetsy Anosy ka nisiotsioka sy nivazavaza. Tsy nisy aloha na izany aza ny fihoaram-pefy. Nanome toromarika rahateo Rtoa Lalatiana Ravololomanana, mitarika ny Komity Firaisankina mitaky ny hamoahana ireo gadra politika fa ajanona ny fihetsiketsehana fa soloina fotoam-pivavahana fohy. Inona indray no antony nanafenana ny dosien-dry Fetison ? Anisan’ny mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao izany, indrindra fa fotoana fohy taorian’ny nametrahan’ny Filoha Ravalomanana Marc ny fitoriany ny mpikambana eo anivon’ny tetezamita izay nanao an-kerisetra tamin’ny fanalana an’itsy voalohany teo amin’ny toerany no nitrangan’ity fanafenana antotan-taratasy ity.

Amin’ny lafiny iray dia azo heverina fa toa mampiseho ny heriny ny FAT mba hanehoany fa izy no eo amin’ny fitondrana ary manana ny fahefana. Tsy azo lavina ihany koa anefa fa mikorontana tanteraka izy ireo manoloana ny zava-misy izay efa tsy voafehiny intsony. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahaverezan’asa. Herisetra sy fanamparam-pahefana sisa no mba hitan’izy ireo hitondrana ny olona mba hitazomany ny fitondrana…

r.d
 
sary : Vahoaka maro tonga teo Anosy mitaky ny hamoahana ireo gadra politika

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT