Fivoriana atsy, fivoriana aroa. Saika feno izany avokoa ny efitra malaladalaka teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly talata 1 febroary taorian’ny nahitan’ny mpanao politika ilay sori-dalan’i Simao.
Nisahotakotaka be ihany no fahitana ireo mpanao politika nivondrona ao amin’ny sehatra samihafa nitambarana teny amin’ity toerana ity. Anisan’ny nafampana ny adihevitra teo amin-dry zareo “Les As” tazana tao amin’ny Cafétaria-n’i Tsimbazaza tao notarihan’ny filohany Voninahitsy Jean Eugène. Vao avy nihaoana tamin’i Simao ry zareo ireto ny alatsinainy takariva ka nandamina indray ny solontena hiatrika ny dingana manaraka taminy omaly tolakandro. Fantatra tao ihany koa fa efa mandamindamina ny toerana ho azon-dry zareo ao amin’ny governemanta sy ny Parlemantera fanampiny ity fitambaran’antoko politika ity. Nandinika indrindra izany koa ny tao amin’ny sehatra Escopol niaraka tamin’ny Exopoles silany saingy fifandirana be saika niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy no niseho tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza nivorian-dry zareo.
Nisy ankolafiny tamin’ny Escopol, hoy i Henri Lecacheur sy Pr Alain Tehindrazanarivelo nirotsaka ho elanelam-panahy, tsy manaiky mihitsy ny handraisan’ireo namorona ny Exopoles hiditra amin’ny dinika raha tsy manao fifanekena an-taratasy ka izay no fototry ny olana. Izahay kosa anefa, hoy izy ireo, dia “tsy mankasitraka izany fa tsy izany no foto-kevitra nitondrana ity sehatra fifampidinihana ity. Mbola miseho ao ny hevitra hoe tompon’ny Escopol ka manilikilika namana ka tsy izy izany. An’ny rehetra ity sehatra ity fa tsy an’ny CT sy CST irery”. Nahazo rariny moa ireto mpanelanelana ireto ka neken’ny maro fa hisy solontena roa avy amin’ny Exopoles hiaraka hidinika amin’Ingahy Simao amin’ny fanapahan-kevitry ny Escopol manontolo mikasika ny fanohizana ilay sori-dalana. Marihina fa dia tsy navela hiditra ny Lapa ny mpanao gazety tamin’ity indray mitoraka ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.