Tsy mipetra-potsiny fa dia miezaka mafy amin’ny fitetezam-paritra tahaka ny fikambanana sy antoko politika hafa ihany koa ny TGV.
Izany no natao, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, dia ny mba hampahafantarana amin’ny Malagasy rehetra ny fomba fanaovana politika vaovao eto amin’ny tany sy ny fanjakana mba hahafahana miroso haingana kokoa amin’ny fampandrosoana ny firenena. Araka ny fanazavana ihany dia hetsika iray goavana natao mba hanentanana sy hampiofanana ireo mpikambana rehetra ao amin’ny TGV no anton’izao fitetezam-paritra sy distrika izao no sady fanamafisana ihany koa ny rafitry ny antoko efa misy. Omena fiofanana manokana momba ny fitarihana mahomby na «leadership» araka izany ireo mpitarika sy mpikambana ao anatin’ity antoko natsangan’i Andry Rajoelina ity. Nanamafy Rtoa Lanto Rakotomavo raha eo amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny fa tahaka ny efa mirediredy ireo milaza fa hanangana tetezamita vaovao hafa indray, satria na ahoana na ahoana dia efa izao fitondrana mijoro izao aloha no eo ka avela izy hiasa.
Raha toa ka misy ny adihevitra tokony hatao mba hampisinda ny ahiahy isan-karazany dia ny fanitarana na fanovana endrika ny CENI no tokony hirosoana, araka ny fanazavany ihany fa tsy ny fananganana governemanta eny an-tsisiny, tena mamorona olana vaovao ireo izay mieritreritra hanao izany, araka ny filazany. Tokony hifanome tanana ny rehetra ka hiezaka hamarana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana izao tetezamita izao araka ny hevitry ny filoha nasionalin’ny TGV ihany, koa ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara no lalana tokana hahavitana izany, koa ireo rehetra izay mieriteritra fa mahazaka sy mahatarika olona dia tokony ho sahy hiatrika fifidianana fa tsy hitabataba etsy sy eroa fotsiny, hoy ihany izy namarana ny fanazavany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.