Politique

Lanto Rabenatoandro “Sori-dalana novolavolain’ny Frantsay iny”


  • Talata 08 Febroary 2011

«Tsy ekena ary tsy ankatoavin’ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana iny sori-dalana navoakan’ny Dr Simao iny”.

Io no fanamarihana nentin’Atoa Lanto Rabenatoandro, senatera teo aloha tao Vakinankaratra, raha niresaka momba ny fahitany ilay sori-dalana nolazaina fa hivoahana amin’ny krizy izay novolen’ny FAT teto Madagasikara ny tenany. Tsy misy afa tsy ny fifampiresahana ary fiarahana mitantana ihany no ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, araka ny nolazainy ihany, satria hatramin’izao dia mbola ankolafy tokana hatrany no mitantana ny tetezamita izay nolazaina fa misokatra ary efa fanta-poko fata-pirenena fa fanonganam-panjakana no niseho teto. Voalazany ihany koa fa dia ny Frantsay hatrany no tena mamolavola iny sori-dalana iny.

Nanamarika koa ny tenany fa tsy ekena ny tsy fahafahan-dRavalomanana milatsaka hofidiana sy ny tsy fahafahany miverina eto an-tanindrazana. Araka izany dia mbola mitohy ny tolona ho an’ny ankolafy Ravalomanana, indrindra ny ao Antsirabe ary tsy mijanona raha tsy mipetraka ny ara-dalàna. Raha nanontaniana momba ny TIM Raharinaivo ny tenany dia nazava ny resany fa tsy misy ao Antsirabe izany ary ireo Parlemantera any dia miaraka hatrany amin’ny TIM tarihin’Atoa Mamy Rakotoarivelo.

 Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT