Politique

Lalatiana Ravololomanana “Vohay aloha ny varavaran’ny fonja !”


  • Alakamisy 03 Febroary 2011


“Raha tena hiroso amin’ny fisokafana ny FAT dia vohay midanadana aloha ny varavaran’ny fonja hivoahan’ireo gadra politika rehetra. Tsy hisy krizy hivaha izany eto raha tsy mivoaka daholo ireo gadra politika rehetra eto amin’ny Nosy miisa 158, indrindra ny Filoha Fetison. Noho ny hevitra nijoroany no nigadran’izy ireo fa tsy noho ny heloka vitany”, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana teny Besarety omaly. Tao anatin’ny loabary an-dasy nokarakarain’ny Kômitin’ny Firaisankina Fetison tarihany no nilazany izany.

Dinika fanomanana ny fiatrehana ny fitsarana azy telo mirahalahy any amin’ny fonjan’Ambatolampy amin’ny 8 febroary izao ary fandinihana ifotony ny fanitsakitsahana ny zo fototra misy eto amintsika ankehitriny toy ny tsy fahazoan’ny olona asa mahavelona, ny tsy fahafahana mitsabo tena raha maharary, tsy fahafahana misakafo ara-dalàna, ny mbola fisiana ny herisetra amin’ny voafonja … no tena votoatin’ity loabary an-dasy ity. Tao ihany koa anefa no nanehoan’ny mpitarika ny Komity ny tena hevitr’izy ireo amin’ny toe-draharaha misy eto amintsika ankehitriny ka nambaran-dRtoa Lalatiana Ravololomanana fa “tsy mahavaha olana raha iny sori-dalan’i Simao iny fa miandany amin-dRajoelina”.

Nitanisa ny zava-bitan’ny Komity hatramin’izay nijoroany izay koa ity mpitarika azy ity toy ny antontan-taratasy nalefa any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fivoriana natao teny amin’ny Motel de Tanà niaraka tamin’ireo fikambanana sivily samihafa ary ny teny amin’ny Tranompokonolona Isotry efa nahavitana fitanana an-tsoratra navoaka boky. Teny henjakenjana no namaranan’ity mpitari-tolona ity ny fanehoan-keviny : “tsy avelantsika hoviravirain’ny tsy mataho-tody ity firenena ity”. Anio alakamisy eny amin’ny Carlton Anosy dia mbola hanotrona ny Pr Zafy Albert amin’ny fanambarana hataony mikasika an’iny sori-dalan’i Simao iny Rtoa Lalatiana Ravololomanana amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny firehana Zafy Albert.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT