Politique

Lalatiana Ravololomanana Miantso ny CNOSC hikarakara fihaonambe vaovao


  • Talata 05 Aprily 2011

Ho an’ny antoko Manda ho an’ny Firaisankinam-pirenena, tarihin’i Lalatiana Ravololomanana dia tsy mbola azo eritreretina mihitsy aloha ny hahazoan’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe mbola mikatso aloha ny zava-drehetra.

Tsy mbola tara anefa isika Malagasy amin’ny fikaroham-bahaolana, araka ny nambarany. Tsara raha manatanteraka dinika goavana iray indray isika eto Madagasikara, araka ny hevitry ny antoko Manda ho an’ny Firaisankinam-pirenena ihany, ary rariny sy hitsiny raha ny CNOSC, izay efa eken’ny sehatra iraisam-pirenena ny fijoroany sy ireo raiamandreny am-panahy, no mitarika sy manelanelana mandritra izany fihaonana izany. Fifampidinihana ambony latabatra ihany no tena ahitam-bahaolana matotra araka ny nambaran’i Lalatiana Ravololomanana. Tokony hisy aorian’io fifampidinihana io ny fifanarahana politika vaovao hosoniavina sy ampiharina eto Madagasikara ka hametrahana ny fiaraha-mitantana tena izy, ahitana ireo ankolafy politika rehetra ary maharesy lahatra ny rehetra ihany koa. Ilaintsika ny fahazoan’ny fitondrana tetezamita fankatoavana iraisam-pirenena, saingy tsy atao tanjona izany fa dingana ihany ao anatin’ny famahana ny krizy sy fanovana ny rafitra misy hiampitana any amin’ny Repoblika faha-IV araka ny nambaran-dRtoa Lalatiana Ravololomanana ihany.

 
Nangonin’i RTT
 

Sary : Lalatiana Ravololomanana, filohan’ny Manda ho an’ny Firaisankinam-pirenena

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT