Niova famindra i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) tao anatin’ny roa volana izao.
Mba handresena lahatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena hankato ny tetezamita tarihiny dia mandany fotoana mitety ireo firenena ao amin’ny vondrona SADC ny tenany ankoatra ny diany tany Torkia sy Frantsa. Vao ny alatsinainy 16 mey teo ny tenany no nihazo an’i Afrika Atsimo, ary nihaona tamin’ny filoha Afrika Tatsimo, Jacob Zuma. Ho an’i Lalatiana Ravololomanana, filohan’ny Manda ho an’ny Firaisaim-pirenena sady anisan’ireo mpitarika ao amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana dia mandroso mihemotra i Andry Rajoelina izay nilaza taloha fa tsy ilaina izany fankatoavana iraisam-pirenena izany saingy midodododo etsy sy eroa mandany volam-panjakana indray ankehitriny mba hahazoana io fankatoavana io.
“Samy miandrandra izay hambaran’ny SADC avokoa ny rehetra saingy tsara ny manamarika fa dingana ihany izay fa ny Malagasy 20 tapitrisa no tompon’ny teny farany. Na dia hanaiky ny FAT aza ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy milamina i Madagasikara raha mbola manao didy jadona sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ireo”, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Tsy azo ihodivirana ny fametrahana ny tetezamita tena izy sy iarahan’ny rehetra ahafahana manatanteraka fifidianana eken’ny rehetra izay ialohavan’ny fampihavanam-pirenena ka miala i Andry Rajoelina rehefa mitsipaka ireo. “Tolona iarahana ao anatin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana ny ahatongavana amin’io tanjona io satria rehefa milamina ny firenena dia afaka mody ireo mpiray tanindrazana sesitany amin’izao fotoana”. Momba ny filoha Marc Ravalomanana manokana dia nambaran’ny filohan’ny Manda ho an’ny Firaisam-pirenena fa “tsy misy Malagasy tsy azo avela mody izany na inona na inona heloka heverina fa vitany, indrindra moa fa efa mpitondra ity farany”.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.