Politique

Lalao Randriamampionona Manahy ny hisiana savorovoro sy korontana indray


  • Zoma 18 Martsa 2011

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny fanendrena ny jeneraly Camille Vital ho praiministry ny marimaritra iraisana. Taorian’ny mpanao politika dia nilaza ny heviny ihany koa ny fiarahamonim-pirenena.

Ho an’i Lalao Randriamampionona avy ao amin’ny CNOSC dia tsy mety iny fanendrena iny, ary tsy hamaha velively ny krizy sy tsy hampiova ny hevitry ny SADC. Aoka hosarahana mazava tsara mihitsy, hoy izy ny hoe Dr Simao sy Atoa Chissano ary ny SADC. Mety manana ny heviny ny Dr Simao fa tsy voatery ho izy mihitsy ny hevitry ny fikambanana naniraka azy, hoy ihany ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny CNOSC ity. Nambarany fa ahitana ny ankolafy politika rehetra tsy an-kanavaka izany hoe «inclusif et consensuel» takian’ny sehatra iraisam-pirenena izany fa tsy tahaka ny endrika hita ao anatin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana.

Raha hitarina ny fanazavany dia tena hevitry ny Dr Leonardo Simao samirery iny sori-dalana iny, ary mety ho hafa ny tatitra nambarany tamin’ireo naniraka azy, saingy tsy maintsy hipoitra ihany ny marina satria, tsy mipetra-potsiny ireo tompon’andraikitra ao amin’ny SADC fa dia mihaino ny hevitry ny hafa fa tsy mionona amin’izay tatitr’i Simao sy ny ambaran’ny FAT. Mampanahy ihany ny hoavin’ny firenena raha tahaka izao no hitantanana azy, hoy i Lalao Randriamampionona ary mety hisy ny savorovoro sy korontana eto raha tsy hita haingana ny marimaritra iraisana maharesy lahatra ny rehetra.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT