Politique

Lalŕmpanorenana, Repoblika IV … “Zéro”, hoy ny Profesora Zafy


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Basy atifi-kavana ny tenin’ny Profesora Zafy Albert tao amin’ny Motel Anosy ny sabotsy 07 mey teo, nilaza fa tsy manana fototra ijoroana ara-dalŕna izao fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina izao.

 Vory maro, nameno trano tamin’io fotoana ireo fikambanana sy antoko politika maro manohana ny antso nataon’ny Ankolafy telo ny amin’ny hamaranana izao fitondrana izao, fa sady mampahory ny Malagasy no manapotika ny firenena. Nivondrona ho fiaraha-mientana vaovao izy ireo, ka nanangana ny “Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana” na Rodobe, izay nampahafantarina ampahibemaso tamin’io sabotsy io. Ny Profesora Zafy Albert no mitarika ity Rodobe ity, izay vondrona iarahan’ny ankolafy, vondrona politika, antoko politika, fikambanana samihafa, sendika, Ampanjaka, Tangalamena, sojabe, raiamandreny, Olobe samihafa ary olom-pirenena tsotra izay mivondrona mba hamahana ny krizy amin’ny alalan’ny fametrahana tetezamita tena izy, tena ifampierana sy tena eken’ny besinimaro. Nandritra izay no nanamafisan’ny Pr Zafy fa tsy manankery ny lalàmpanorenana nasain’i Andry Rajoelina nofidiana tamin’ny 17 novambra 2010. Lasa lavitra aza ny teniny nilaza fa tsy mbola misy Repoblika faha-4 mijoro izany eto, fa misando-pahefana i Andry Rajoelina, ka tokony hotsaraina. Niantso ny Emmo-Reg ny tenany hanakatona ny Lapan’i Tsimbazaza sy Anosikely fa rafitra tsy ara-dalàna ireo. Avelao ny vahoaka haneho malalaka ny heviny fa jiolahy ireo ka hosamborina na hanapoahana grenady, hoy izy.

Nambaran’ny filoha Zafy Albert fa ireo Sekretera jeneraly no hisahana ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny ministera isan-tokony, mandra-pijoron’ny tetezamita ifanarahana, izay heverina hatao mialoha ny 20 mey ka hisy ny hetsika tsy miato hataon’ity Rodobe ity hahatongavana amin’izany. Ny Dr Manoro Régis, mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy moa no nampahafantatra fa ny tanjona fototra kendren’ny Rodobe dia ny fametrahana amin’ny alalan’ny fiarahan’ny Malagasy rehetra ny tetezamita tena izy, tena ifampierana sy tena iarahan’ny rehetra mba hiverenana amin’ny fanjakana mifototra amin’ny ara-dalàna. Tsy azo ekena, hoy ny fanambaran’ny Rodobe, ny fanamarinan’i Andry Rajoelina ny fifikirany amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny fepetra tetezamitan’ilay Lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny referandaoma natao ny 17 novambra 2011 izay sady tsy tenieran’ny samy Malagasy no tsy eken’izao tontolo izao.

Nanao loabary an-dasy sady nanao vaky bantsilana ireo zava-mamoafady manohintohina ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fitantanana anatin’izao fitondrana FAT izao ny Profesora Zafy, toy ny ramatahora sy fampihorohoroana tamin’ny endriny samihafa, sy ny fandrobana ny harem-pirenena. Notsiahiviny ny fisian’ireo hetsi-panoherana izao fitondrana izao na nataon’ny sivily na miaramila, ka nanaovany antso ho an’ny vahoaka mba hijoro hiara-kanavotra ny tanindrazana iombonana miaraka amin’ny Rodobe ny tenany ka hiara-kanao izay hifaranan’izao fitondran’olon-tokana tsy mahomby sy mandripaka ny harem-pirenena izao mba hametrahana tetezamita tena izy, tena ifampierana sy tena iarahan’ny rehetra mba hiverenana amin’ny fanjakana mifototra amin’ny ara-dalàna. Teny fampieritreretana no nataon’ity raiamandreny ity ho an’ny miaramila sy polisy ka nilazany fa tsy tsara ho anareo ny miandany na manohana izao tsy fetezan-javatra sy fandentehana ny firenena izao. “Ka na ianareo miara-dia amin’ny vahoaka, na ianareo miverina an-dakazerina”, hoy izy.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT