Politique

Lalam-pirenena faha-44 Mbola baraingo ny hahavitany


  • Alarobia 13 Aprily 2011

Miankina betsaka amin’ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny ho fahavitan’ny lalam-pirenena faha-44 mihazo an’Ambatondrazaka, hoy ny minisitra vaovaon’ny asa vaventy, Razafimbelo Alain raha nijery ifotony ny fandehan’ny asa izy ny sabotsy 9 aprily lasa teo.

Mizara roa miavaka tsara ny toerana asiana fanamboarana amin’iny lalam-pirenena faha-44 iny dia ny tapany avaratra eo anelanelan’ny Kaominina Andaingo sy Kaominina Amboasary izay ny orinasa SMATP no manao azy ary ny tapany atsimo eo anelanelan’ny Kaominina Andilanatoby sy ny Kaominina Andaingo izay ny orinasa EGC no mamita ny asa. Ampahany kely amin’ilay 113 km tokony hamboarina ihany no ahitana fanatsarana izao fa tsy 20 km araka ny nampanantenaina. Fantatra fa mbola miankina amin’ny fahazoana famatsiam-bola avy any ivelany ny ho fanaovana tara ny lalam-pirenena faha-44 iny. Mipetraka ho baraingo amin’ny mponina any Alaotra, araka izany, ny famitana iny lalam-pirenena iny noho ny fitarazohan’ny asa sy ny fiovaovan’ny fomba firesak’ireo tompon’andraikitra misahana ny fanamboarana io lalam-pirenena iray io. Niaraka tamin’ny minisitry ny asa vaventy tany an-toerana tamin’izao fitsirihana voalohany nataony izao ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Alaotra Mangoro, Andrianatoandro Stanislas.

 
Nangonin’i Niry R.
 

Sary : Lalam-pirenena faha-44 amin’ny endriny ankehitriny (sary : Razafison Rivonala)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT