Efa ela tsy naneho hevitra sy tsy hita mba mandray fitenenana amin’ireo hetsika politika anasan’ny olona azy, ny governoran’ny faritanin’i Toamasina teo aloha, Atoa Lahady Samuel.
Ny sabotsy 19 febroary teo nandritra ny fihaonana nokarakarain’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) anefa, dia niteny sy niala tamin’ny fahanginany amin’izay ity diplomaty sady governora teo aloha ity, ka nilazany mahitsy fa hevitr’ingahy Rajoelina irery ihany no tiany heken’ireo vondrona politika, sy ankatoavin’ny vahoaka Malagasy. “Sahiko ny milaza fa tsy mahasolo tena ny Malagasy 20 tapitrisa ireo mpanao politika 100 mahery milaza azy ho solontenam-bahoaka mitangorona eo anivon’ny FAT ankehitriny ireo», hoy izy.
Nohamafisiny hatrany koa fa «raha tiana handroso haingana ity Madagasikara ity, dia ny fampiharana ny faritany mizaka tena ihany no vahaolana haingana noho ny fahasamihafana eo amin’ny zava-misy isam-paritany sy ny faritra, na koa farafaharatsiny dia ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka mamindra ny 80%-n’ny fandraisana fanapahan-kevitra rehetra eny amin’ny faritra 22 tsirairay avy». Ity fanjakana tokana mivangongo eo an-tsehatra iray ity dia mahatonga ny any amin’ny faritra sy ny faritany ho saribakoly fotsiny, ary natao handray baiko miainga avy any ambony fotsiny.
Nahitsy koa anefa Atoa Lahady Samuel nilaza fa «tsy mbola nahita fitondrana na iray aza ny tenako teto ambonin’ny tany, ka ny prezidansa indray no mihazona ny volam-panjakana rehetra ka izy no manao ny fandaminan’asa rehetra sy manome izay tiany ireo andrim-panjakana amin’ny vola ampiasainy». Ankoatra izay, nolazain’ity governora teo aloha ity hatrany fa «tena laharampahamehana ve ny fanamboarana an’Antsonjombe handaniana 10.000 tapitrisa ariary, ny hopitaly vaovao handaniam-bola 2.200 tapitrisa ariary isany… Hita anefa fa mijaly amin’ny lalana ny ao Marolambo sy Mananara Avaratra ary Maroantsetra, tsy mahazaka vidim-bary ny vahoaka, mirongatra ny mpangalatra noho ny tsy fisian’ny asa, tsy misy volana ny sekoly sy ny oniversite…?». Izay no nilazany fa «mangalaha honon-draha antsegna manomboka izao, fa ho gravy ny raharaha tsy ho ela».
Sary : Lahady Samuel, governoran’i Toamasina toe aloha
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.