Politique

Kotomanantsoa Rémi Namaly an-dry Ralison Roger sy Ndremanjary Jean André


  • Alakamisy 24 Martsa 2011


Nanoloana ny fanambarana tamin’ny haino aman-jery samihafa nataon’ny mpikambana sasany nisintaka tao amin’ny HPM, toa an-dRalison Roger sy Ndremanjary Jean André, ny talata 22 martsa teo nilaza fa “efa tsy misy olona azo hianteherana intsony ao amin’ny ankolafy Zafy Albert fa ny atidoha rehetra nitarika tao dia efa lasa nikopak’elatra avokoa ka olona mitsipozipozy mitady toerana ambany elatr’i Zafy sisa no ao”, dia tsy niandry ela fa nitondra valin-kafatra ho an’ireo namany taloha ireo i Kotomanantsoa Rémi, mpiara-mitarika ny ankolafy 3 ao Toamasina sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert rahateo. Nambarany àry fa “efa tsy matotra ara-politika ireny niala tao amin’ny ankolafy Zafy Albert ireny. Amin’izao fotoana izao dia olona efa manana fahamatorana ara-politika no tavela ao ka vao mainka mahafaly ny any amin’ny fototra izany. Saika olona efa tsy lanin’ny mponina tany amin’ny faritra misy azy avokoa ireny be vava ireny”, hoy izy, ka raha tena lehilahy izy ireo miverena indray mirotsaka hofidiana fa ho hitantsika eo.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT