Politique

Kotomanantsoa Rémi Mbola «unilatéral» ny fanendrena PM


  • Alakamisy 17 Martsa 2011


«Tsy manana finiavana hamaha ny krizy mihitsy i Andry Rajoelina amin’ny fanendrena an’i Camille Vital ho praiministra indray. Mbola endriky ny taritokana io ary famerezan-dia ny rehetra fotsiny ny hoe fifampidinihana etsy sy eroa. Koa tsy mankasitraka an’io fanendrena io izahay ary mitsipaka izany marin-drano», hoy i Kotomanantsoa Rémi, anisan’ireo mpitarika ny ankolafy telo any Toamasina sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. Mikasika ny fisamborana an’i Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneralin’ny Tiako I Madagasikara, dia nilaza mazava ity mpitarika politika ity fa miendrika fisamborana politika izao. Araka ny heviny dia tsy marim-pototra ny zavatra rehetra nambaran’ireo vavolombelona roa nasaina niteny tamin’ny haino aman-jery fa tetika nomanina no hanagadrana olona. “Tsy ahitana fahatoniana velively io toe-javatra io”, hoy i Kotomanantsoa.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT