Politique

Korontan-dava aty Afrika Mailomailo fa ao raha !


  • Talata 15 Febroary 2011

Tsy nisy taona iray ka nampilamina tanteraka ny kaontinanta Afrikanina, ary mitana lohalaharana amin’ny fahafatesan’olona amin’ny resaka ady an-trano sy adim-poko ary ady noho ny fifandirana politika ny Afrikanina.

Voaporofo izao fa tsy ny Afrikanina mainty aty atsimon’ny tany efitra Sahara toa an’i Guinée, Cote d’Ivoire, Zimbabwe, RDC, Niger, Nigeria ihany no mikorontan-dava fa dia tafiditra ao anatin’ny valan’ny savorovoro politika koa ireo firenena ao Afrika avaratra, toa an’i Tonizia, Ejipta farany teo dia izao mitady hitatra any Alzeria izao. Rehefa atao indray mijery anefa dia saika firenena miteny frantsay avokoa ny ankamaroany. Mitovitovy foana ny zava-mitranga aty Afrika. Voalohany aloha ny fandrodanana ireo atao hoe mpitondra naharitra teo amin’ny fitondrana, faharoa ireo filoha sokajiana ho mpanao jadona, ary antony fahatelo mampikorontana dia noho ny fifidianana. Izay amin’ny ankapobeny ny zava-misy fa mety misy antony hafa maro be manampy ireo efa voalaza ireo. Ny tena marina koa anefa dia tena misy mampiady mihitsy ny samy Afrikanina ary misy firenena vahiny matanjaka tena manana traikefa henjana amin’izany. Firenena efa zatra nanjaka sy niaina ary nahazo tombontsoa taty Afrika io Firenena io. Mampiasa fikambanana maro samihafa izy mba hiarovany ny tombontsoany sy hampijabahana tsotra izao ireo firenena niseho ho nahavita tena na tsy nanaraka ny teny midina.

Anisan’ireo fikambanana milaza fa tonga handamina ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) sy ny COI (Commission de l’Océan Indien) raha ny aty amin’ny vondrom-paritra misy an’i Madagasikara, saingy maro no velon’ahiahy ny amin’ny fomba fiasan’ireto fikambanana ireto, indrindra fa ny OIF tarihan’i Abdou Diouf izay tsy manelanelana izany mihitsy, raha ny fahitana azy hatramin’izay fa miaro tsotra izao ny tombontsoan’i Lafrantsa. Efa maro ny firenena afrikanina nikorontana nalamin’ny iraka manokan’ny OIF fa hoe hiroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara, kanefa dia gidragidra no nitranga ary tsy nisy krizy nivaha izany. Raha tsy mitandrina ny mpitondra sy ny mpanao politika Malagasy dia hametraka ny rafitra manana fahaiza-manao manokana amin’ny hala-bato sy fanakorontanana ny fifidianana ireo fikambanana iraisam-pirenena sasany ireo ary dia hitranga eto ny zava-nisy tao Côte d’Ivoire izay ao anatin’ny fahasahiranana sy ny krizy politika tanteraka indray izao, na dia efa nandalo tetezamita nandritra ny 7 taona aza.

«Experts» na manampahaizana tokoa no tonga eto, saingy mety manampahaizana amin’ny fanakorontanana fa tsy ny fandaminana, ary misy antony matoa maika dia maika hanampy ara-bola sy ara-pitaovana hikarakarana fifidianana ny OIF ? Efa zatra don-tandroka i Lafrantsa ary henjana amin’ny resaka diplaomasia sy ny resaka ambony latabatra, efa voafandriny tamin’io i Marc Ravalomanana. Tsaroana eto ny nahatongavan’i Dominique de Villepin tampoka teto Antananarivo ny 3 jolay 2002 ary nampanantena fanampiana mitentina 800 tapitrisa Euros saingy tsy nilaza mivantana fa manaiky ny fitondrana nijoro tamin’izany fotoana. Eo am-panatanterahana io tetika io indray ny Frantsay amin’izao fotoana ka ho hita eo raha efa nahazo lesona tamin’ny tantara tokoa ny mpitondra sy ny mpanao politika Malagasy na mbola hanaiky hozanahana ihany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT