Nifanatri-tava nivantana tetsy amin’ny Lapan’ny Kongresy Tsimbazaza omaly ny mpirahalahy TIM nifampizara dian’ondry dia ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Raharinaivo Andrianatoandro sy ny minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Rakotoarison Yves Aimé.
Ity farany dia voaasan-dry zareo mpanao lalàna manokana mba hanazava ny tena andraikitry ny ministera vaovao tantanany. Tsy hoe vao voalohany akory ity minisitra ity no nanitsaka ny Lapan’i Tsimbazaza hatramin’ny nahavoatendry azy ho minisitra fa efa im-betsaka ihany satria nambarany fa izy dia tsy maintsy manatrika hatrany ny «conférence des présidents» amin’ireny fandrafetana ny lahadinika eny amin’ireo andrim-panjakana roa mpanao lalàna misy fa anjaran-dry zareo ny mandahatra ny volavolan-dalàna hodinihana. Ankoatra ny famaliana ny fanontaniana nanitikitika ireo mpikamban’ny Kongresy mahakasika ity ministera vaovao ity, izay mbola baraingo hafa moa ny amin’ny tetibola iasany satria vaovao izy ity ka tsy mbola tafiditra tamin’ny fandinihana ny tetibolam-panjakana tamin’ny farany, dia anisan’ny nitondran’ingahy minisitra fanazavana ny amin’ilay antsoina hoe komitin’ny telo tonta na (GEST) hivondronan’ny eo anivon’ny Governemanta (minisitera maromaro) sy ny Parlemanta roa tonta (solontenan’ireo vondrona parlemantera) ary ny Ceni hamaha haingana ireo olana samihafa mitranga ao anatin’izao krizy iainan’ny firenena izao. Efa lany tamin’ny talata teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny amin’ity rafitra ity ka hanomboka hiasa avy hatrany tsy ho ela.
Ny minisitry ny vola sy tetibola Hery Rajaonarimampianina no niatrika ny Kongresy taorian’izay. Fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehana. Bebe kokoa noho ny niatrika ny minisitra Yves Aimé Rakotoarisoa no niatrika ity fihaonana ity. Resa-bola tsinona no natao tao. Nafana dia nafana ny adihevitra fa re nanakoako tety ivelany mihitsy ny feo avon’ireo nandray fitenenana tao anatiny tao. Tsilian-tsofina no nahenoana fa voaresaka tao anatin’ity fihaonana ity ny amin’ny karaman’ireo «Assistant parlementaire».
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.