Politique

Kongresin’ny Tetezamita Tsy antonona mpivory ny efitrano etsy Tsimbazaza


  • Talata 03 Mey 2011

Hanomboka anio 3 mey, talata voalohany amin’ny volana mey araka ny voalazan’ny lalŕna manankery, ny fivoriana ara-potoanan’ny rafitra mpanao lalŕna roa tonta (ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresin’ny tetezamita).

 Raha ny eny Tsimbazaza manokana, araka ny fanazavana nomen’ny Kestora voalohany ao amin’ny Jean Michel Henri, dia efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana ireo mpikambana avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy ry zareo. Efa nilamina raha ny nambarany ny amin’ny tapakila fandraisana fiaramanidina ho an’ireo mpikambana ao amin’ity Kongresy ity andalovan’ny fiaramanidina ny toerana misy azy. Ireo voatery handeha amin’ny lalana an-tanety kosa dia aty Antananarivo toy ny mahazatra no hanomezana ny lanin-dry zareo tamin’ny fihazoana ny eny Tsimbazaza. «Ezahina tsy hisy olana toy ny tamin’ny farany ny mikasika izany fanonerana saran-dalana sy vidin-tsolika izany», hoy ny Kestora, Jean Michel Henri.

Ny trano honenan’ireo mpikamban’ny Kongresy amin’ny fotoam-pivoriana moa, araka ny nambarany dia efa nilamina hatramin’ny fivoriana farany ny amin’ny fahazoana izany. Ho an’ireo tsy nahazo trano eny Tsimbazaza kosa sy ireo nangataka manokana ny tsy hitoetra eny dia efa milamina ny amin’ny solona hofan-trano ho azy ireo mifandraika amin’io. Sisa olana hitadiavam-bahaolana fa efa nanaovana fifampiraharahana tetsy sy teroa ny amin’ny toeram-pivoriana hanaovana fivoriana itambarambe satria tsy antonona ireo mpikambana 250 ankehitriny ny toeram-pivoriana mahazatra ao Tsimbazaza.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT