Hiditra eo amin’ny asam-baomiera isan-tsokajiny anio, araka ny fandaharam-potoana nolanian’ny daholobe tamin’ny alakamisy 5 mey teo, ny fivoriana ara-potoana atrehan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.
Hisantatra izany ny fandinihan’ny eo anivon’ny kaomision’ny asa sosialy : fahasalamana sy mponina ary ny vaomieran’ny lalàna ny volavolan-dalàna lah. 002/2010 mikasika ny «Code de
Raha ny fanamarihana nomen’ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ity rafitra mpanao lalàna ity teny Tsimbazaza dia tsy naharay mihitsy ny antontan-taratasy mirakitra ny volavolan-dalàna mikasika ny sata mifehy ny serasera sy asa fanaovan-gazety izy ireo sy ny mikasika ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny amin’ireo be dia be azon’izy ireo hatramin’ny fandaharam-potoana hisian’ny «Conférence des Présidents» manaraka ny talata 14 jona izao. Tsy misy raharaha vanona anefa eto, hoy izy ireo raha tsy misy ny fandriampahalemana. Mahagaga ny tsy nanaovana laharam-pahamehana ny mikasika io raharaha io fa mihamaro tato ho ato ny fanakanan-dalana sy fandrobana andro antoandro eny amin’ny lalàm-pirenena manerana ny Nosy eny. Ary dia nitombina ny ahiahin’izy ireo tamin’ny trangan-javatra niseho tany amin’ny lalam-pirenena faha-34 omaly alatsinainy iny nandroban’ny dahalo ny zotra mpitatitr’olona tao anelanelan’Ambatolahy sy Malaimbandy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.