Na tsy dia mahoraka firy sy tsy re matetika amin’ny filazam-baovao aza dia fantatra fa misimisy ihany ny zavatra tsy milamina ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ao.
Anisan’ny tena mahatonga ny savorovoro ny resa-bola. Maro mantsy ireo mpikambana velon-taraina fa tsy mazava tsara amin’izy ireo mihitsy ny momba ny tambin-karama tokony horaisin’ny mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity. Araka ny filazan’ny mpikambana iray dia mitovy izao ihany ny asa atao kanefa dia tsy mitovy ny vola raisina isam-bolana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Araka ny fanazavan’ity mpikambana iray ity anefa dia efa voafaritra mazava tao amin’ny tetibolam-panjakana sy ny tetibolan’ny Kongresin’ny tetezamita ny karaman’ireo mpikambana rehetra ao aminy, koa mahagaga ihany raha olona mitovy sokajy izao kanefa tsy mitovy ny vola raisiny.
Noho ny ahiahy tsy ihavanana dia mitaky ny hisian’ny mangarahara tanteraka ny amin’ny tetibola ampiasain’ny parlemanta, izany hoe ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny tena andraikitr’ireo mpikambana ao aminy marina ireo parlemantera mahatsiaro tena fa hiharan’ny tsy rariny. Izay ny amin’ny resa-bola fa mbola zavatra hafa mampitaraina ireo mpikambana Kongresy koa ny amin’ny fitaovana ampiasaina isan’andro tahaka ny taratasy. Dia mitovy tamin’ilay resa-bola teo ihany ilay izy. Misy ny mpikambana sasany tena manana ny ampy, fa misy kosa no tsy mahazo ka mihafy isan’andro amin’ny fanatanterahana ny asany. Voalaza fa izany no anisan’ny antony mampihozongozona ny toeran’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Raharinaivo Andrianatoandro, satria variana amin’ny resaka politika avo lenta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.