«Tadiavina hovonoina any am-ponja ny Cdt Charles, fa manelingelina». Izay no voarakitry ny soratra maro sosona na SMS niainga avy amina laharana finday Telma, voarain’ny fianakavian’ny lietnŕ-kolonely Charles Andrianasoavina tany Manakara ny sabotsy 30 aprily teo.
Toy ny vara-datsaka no nandraisan’ny fianakavian’ity manamboninahitra ity io fampilazana io. Nezahin’izy ireo nantsoina ilay laharana finday, hanamarinana ny amin’io vaovao mampatahotra io saingy tsy nisy nandray na dia maneno aza ilay finday. Vao mainka nampitombo ny ahiahin’ny fianakaviana izay toe-javatra izay, satria dia efa resaka mihatra aman’aina ity. Nampandre avy hatrany ireo raiamandreny tao an-tanàna ny fianakavian’ny kolonely Charles. Nivory maika, io sabotsy io ihany koa, ny Grand Sud Est Manakara nandinika ny fepetra tokony horaisina sy ny zavatra tokony hatao manoloana ity hafatra mampiahiahy ity. Taorian’izay dia tapa-kevitra fa hampandre ny Pr Zafy Albert, amin’ny maha Filoham-pirenena teo aloha sady raiamandreny eto amin’ny firenena azy ny fianakavian’ny kolonely Charles. Araka ny fantatra dia nampahafantarina io vaovao io ihany koa ireo mpiray andiany aminy, dia ny andiany faha-19 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe.
Dimy volana any am-ponjan’i Tsiafahy ny kolonely Charles miaraka amina manamboninahitra maro, toy ny jeneraly isany Raoelina, Noel Rakotonandrasana, sy kolonely maromaro Djadifara, Coutity Assolant, Randriamihoatra, Ramboasalama sy ny hafa izay voatana ao Antanimora. Manamboninahitra miaramila 16 lahy izy ireo no indray voasambotra taorian’ilay hetsika nataon’izy ireo teny amin’ny BANI Ivato nanomboka ny 20 novambra 2010. Hatreto dia tsy fantatra na hotsaraina na tsia ka hatao toy ny raharaha Ralitera, 25 volana any am-ponja tsy mitsara, ireto manamboninahitra ireto. Nisy rahateo ny ampamoaka am-bava nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ny 05 janoary 2011, fotoana nitondrana azy ireo tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy nanaovana famotorana azy, ka nilazany fa tena fanonganam-panjakana no nataony niaraka tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ary nisy tambiny ara-bola izany.
Tsy nijanona teo fa mbola nohamafisiny an-tsoratra izany ary nisy anaran’olona maromaro, ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, voatonona tao anatin’izany. Izay ve ilay hoe manelingelina, ka sanatria tonga any amin’ity hoe fikasana hamonoana mangingina ity manamboninahitra zanak’i Onjatsy Vohipeno ity any am-ponja. Hentitra ny fanambaran’ny Grand Sud Est omaly fa raha misy zava-mitranga amin’ny zanany dia tsy ho vita mora izany, ka mampitandrina izy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Sary : Ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina nanao ampamoaka tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny 05 janoary 2011
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.