Politique

Kolo Roland Mila fanamboarana haingana ny antoko AREMA


  • Zoma 20 Mey 2011

Hiatrika raharaha sarotra isika fa tsy milamina ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny senatera Arema, Kolo Roland.

 Raha izay ho vokatry ny fivorian’ny SADC anio dia tsy misy afaka milaza n’inona n’inona amin’izany fa mbola sahirana amin’ny sahotakotaka etsy sy eroa isika. Raha ny amin’ny resaka fifidianana dia tsy mbola niresaka mazava ny amin’izy io ny antoko Arema fa mbola tokony hifandinika tsara ao anatiny ka hifanatona avokoa, hoy ihany ity senateran’i Menabe teo aloha ity. Efa niantso fifampidinihana izahay mpikambana ao amin’ny “Collège National Arema” fa tsy mbola tontosa izany mandrak’ity ny androany, hoy izy. Tokony hasiana fanamboarana haingana dia haingana ao amin’ny antoko AREMA, hoy ny fanampim-panazavana nomeny. Mila fanarenana kely ny tadin-dokanga ao amin’ity antokonay ity, hoy izy. Tsy afaka hilaza na inona na inona mikasika ny amin’i Tantely Andrianarivo aho, hoy izy, ary raha ny amin’i Pierrot Rajaonarivelo dia izy misabaka amin’ny MDM no olana aminy. Efa saika hifampiresaka an-telefaonina tamin’ny Filoha Didier Ratsiraka ihany aho tamin’ny fandalovako tany Frantsa farany teo fa tsy tanteraka izany noho ny trangan-javatra lehibe natrehako tany. Eo aminay mirahalahy aloha dia tsy misy olana izany mihitsy, hoy izy.

 

Manohy

 

SARY : Kolo Roland

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT