Politique

Kianjan’ny 13 mey Tsy azon’ny Ankolafy telo idirana !


  • Zoma 13 Mey 2011

Omaly alakamisy 12 mey dia nifamory ireo tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny polisy sy ny zandary manoloana ny datin’ny 13 mey.

 Araka ny tsiliantsofina dia tapaka amin’izany fa hodidinina mpitandro ny filaminana ny Kianjan’ny 13 mey anio. Tsy azo atao ihany koa ny mivorivory fa voalaza tao amin’ilay fivoriana fa tsy fanarahan-dalàna izany. Mikasika ireo mpitandro ny filaminana indray dia hiasa avokoa na zandary na polisy rehetra eto an-drenivohitra anio. Nozaraina mihitsy ny toerana rehetra eto an-drenivohitra ka ny Emmo-Reg no fantatra fa hiantsoroka ireo izay manao fihetsehana. Ny polisy kosa no hiantoka ny eny amin’ny sisin-dalana rehetra. Raha ity fivoriana omaly ity dia tsikaritra fa mitaintaina ny amin’izay hitranga ireo mpitandro ny filaminana. Andro maromaro lasa izay mantsy dia efa nisy ny fivoriana teny anivon’ny Tafika ary nivoaka tamin’izany fa aleo hiteny ny olona satria mafy loatra ny fiainana. Nisy ihany koa anefa ireo manamboninahitra izay nilaza fa vao mainka hanasaro-javatra raha izao no misy fitokonana indray. Ankoatra ireo dia misy ireo izay mitana hatrany ny heviny fa tokony hotohanana ity fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina ity. Mila vola anefa izy ireo amin’izany araka ny fantatra mba ahafahan’izy ireo mihetsika.

 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT