Politique

Kianja sentetika Ambatondrazaka Fitaovana politika tamin’ny referandaoma


  • Talata 31 Mey 2011

Niezinezina ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT tany Ambatondrazaka tao amin’ny kianja Rasolonjatovo ny 4 septambra 2010 fa hatao kianja sentetika izany kianja izany.

 Afaka iray volana taorian’io fotoana io no nambarany fa hanombohan’ny asa ho fanaovana manara-penitra ny kianja Rasolonjatovo. Nandritra ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana ny Eny tamin’ny referandaoma 17 novambra 2010 dia natao ho fitaovana handresena lahatra ny mpifidy ny resaka ho fanamboarana ilay kianja. Valo volana aty aoriana, mbola kianja natoraly no hanaovan’ny mpianatra ny adina ara-panatanjahantena. Efa nanjavona hatramin’ilay vato fehizoro nataon’ny minisitra teo aloha Virapin Ramamonjisoa, fa tsy misy resaka ny fanatanterahana ity fampanantenan’ny filohan’ny FAT ity. Lasa fitaovana politika ho an’ny FAT, araka izany, ity resaka kianja sentetika ity satria ny tao Malacam telo volana dia vita hakana ny fon’ny eny ambany tanàna sy ny sakaizan’ny baolina lavalava, ny any Ambatondrazaka indray tsy mahita zavatra hisarihana ny tanora intsony ny FAT rehefa fifidianana raha vita izao ka zary atao litania fotsiny ny hoe hamboarina tsy ho ela.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT