Politique

Kaominina Ankaraobato Misy mikasa hametraka PDS


  • Talata 08 Martsa 2011

Ezahana ailika amin’ny fomba rehetra amin’ny fitantanana ny Kaominina Ankaraobato ny Ben’ny tanàna Ralaiseheno Guy Maxime izay marihina fa nahantona amin’ny asany mandritra ny telo volana indray.

Misy andian’olona eny an-toerana izay mitonon-tena ho solontenan’ny vahoaka no mangataka ny fametrahana PDS ao Ankaraobato hasolo ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany. Nilaza izy ireo fa variana amin’ny politika avo lenta Ralaiseheno Guy Maxime ka hadino tanteraka ny vahoaka. Tsy mahatapaka ahitra koa anefa ny mpisolo toerana azy vonjimaika, izany hoe ny lefiny voalohany hatramin’ny fotoana nidirany am-ponja ary lasa fomba fanao mahazatra ireo mpitantana isan-tokony ao amin’ny Kaominina ny fifanilihana andraikitra raha ny fanambaran’izy ireo ihany.

Mandindona ny valanaretina ety aminay amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao manoloana ny fipariahana sy fivangongoan’ny fako eran’ny tanàna rehefa tsy misy mpaka. Ankoatra izay dia dibo-drano sy feno fotaka avokoa ny lalankely rehetra”, hoy ny dokotera Razanakoto Jean, anisan’ny mpitarika ity hetsika ity. Nambaran’i Berlier Rostaing fa tsy manakiana be fahatany izy ireo fa efa nandray andraikitra, anisan’izany ny fanangonana ireo fako miely eraky ny tanàna. “Raha nangataka fahazoan-dalana ahafahana manary ireo fako any Ambatofotsy tamin’ireo mpitantana mpisolo toerana ao amin’ny Kaominina izahay dia narirarira foana. Raha misy ny fametrahana PDS dia tsy ilaina koa ny miara-miasa amin’ireo ekipa teknikan’ny Ben’ny tanàna ireo noho izany”, hoy izy. Ny maro an’isa amin’ny vahoaka ao Ankaraobato no nambaran’ireto andian’olona ireto fa manohana azy tamin’ny alalan’ny fanangonan-tsonia manerana ny Fokontany 7 ao an-toerana saingy rehefa nangatahana azy ireo ilay firaketana an-tsoratra dia tsy nasehony.  Nambaran’izy ireo koa fa manohana ny fitakiana ataony ireo kandida Ben’ny tanàna rehetra tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2007 miampy fikambanana maro samihafa ao an-tanàna Tsy nisy anarana fikambanana na iray monja aza anefa notononin’izy ireo raha nanontaniana. Ho hita eo ny tohiny raha hihaino ireto farany ny ministeran’ny Atitany.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT