Politique

Kandida Praiministra Jeneraly roa, vavy tokana, nanjavona i Mangalaza


  • Talata 15 Martsa 2011


Fito no isan’ireo kandida mifaninana ho eny Mahazoarivo, natolotr’ireo vondrona politika nanao rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao, ho amin’ny toeran’ny Praiministry ny marimaritra iraisana raha ny fampitam-baovao miainga avy eny anivon’ny fiadidiana ny fahefana avon’ny tetezamita, dia i José Vianey (Fenoarivo Atsinanana), Pierrot Rajaonarivelo (Anosibe an’Ala), Pr Alain Tehindrazanarivelo (Mahajanga) anisan’ny tompon-kevitra amin’ny hampidirana ny resa-piaviana ao anatin’ilay sori-dalana amin’ny fanendrena praiministra, ny jeneraly avy amin’ny zandarimaria Claude Manakany (Morondava) izay mpikambana tao amin’ny Task Force momba ny “bois de rose” ireny, Yves Aimé Rakotoarison (Antananarivo), Rtoa Dina Fotomanantena Jeanne (Toliara II) izay mpikambana tao amin’ny birao politikan’ny TIM niaraka tamin’i Yvan Randriasandratriniony saingy nisafidy ny hiara-dia amin-dRaharinaivo ankehitriny, ary ny jeneraly avy amin’ny tafika malagasy Camille Vital (Toliara), praiministry ny FAT farany teo.

Nifandimby nohenoin’i Andry Rajoelina ny dimy tamin’izy ireo omaly. Hitohy amin’ity anio ity ny fihainoana ny roa ambiny, mialoha ny fanendrena. Araka ireo dia tsy nanana kandida ny Faritanin’Antsiranana sy Fianarantsoa. Manaraka izay dia nanjavona tanteraka tao anaty lisitra i Mangalaza Eugène, izay efa neken’ny ankolafy efatra hitana io andraikitry ny Praiministry ny marimaritra iraisana io nandritra ny fihaonana an-tampony natao tany Addis Abeba ny novambra 2009, ary nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT