Politique

Kaleta Nokianiny ny Lehiben’ny Faritra Anosy


  • Zoma 15 Aprily 2011


Nohitsian’i Soja Jean André na Kaleta ny lehiben’ny Faritra Anosy, Randriatefiarison Guillaume Venance nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao Tolagnaro ny alarobia 13 aprily teo. Nandritra izay no nilazan’ny filoha mpanorina ny antoko Liaraike ity fa “tokony hiala amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra rehefa ilaharan’ny olona an-dalambe fa tsy mibodo toerana”. Nanaovan’ity Senateran’Anosy voafidy tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara ity, vaky bantsilana koa ny fitantanana ao, ka nilazany fa tsy hita izay vitan’ny Lehiben’ny Faritra amin’ny tamberim-bidy azo avy amin’ny QMM. Nankinin’i Kaleta amin’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT sy i Camille Vital, praiministra, moa ny andraikitra hitazonana amin’ny toerana na tsia ny Lehiben’ny Faritra Anosy.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT