Politique

Kaleta “Mbola Senatera aho !”


  • Talata 14 Jona 2011


“Senatera, ary mbola Senatera aho hatramin’ny taona 2013”. Io no fehezanteny famerimberin’i Soja Jean André na Kaleta isaky ny mandray fitenenana ankalamanjana sy mamory mpanao gazety, toy ny nataony ny zoma 10 jona teo, tao amin’ny trano fonenany ao Tanambao Tolagnaro. Niezaka nanazava ny tranga nisy tany Gabôrôna izy saingy tsy nanao afa tsy ny namerina izay efa notaterin’ny haino aman-jery sy ireo gazety mpiseho isan’andro. Mikasika ny fanapahan-kevitry ny SADC tatsy Sandton Afrika Atsimo, dia nilaza i Kaleta fa manaiky izay ho avy eo ny tenany. Ankoatra izay dia mitaky ny tokony hanoloana administratera sivily ny lehiben’ny faritra Anosy i Kaleta, raha hesorina ihany ny am-perinasa ankehitriny, noho ny fitakiana ataon’ny FAradofay MItaky ny ZOny (FAMIZO). Amin’ny resaka politika indray dia tsikaritra fa manomboka misintaka ny antoko Liaraiky tarihiny ireo mpikambana maro ao aminy, misedra fahasahiranana koa anefa ireo radiony, izay nanampy betsaka an’i Kaleta tamin’ny resaka politika tamin’iny Faritra Anosy iny.

 

ROM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT