Iray amin’ireo kandida mihazakazaka ho eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo i José Vianey, fantatry ny maro koa amin’ny solon’anarana hoe : “Vijo”.
Efa tamin’ny faramparan’ny taona 2010 no nisy fanangonan-tsonia nataon’ny mpiara-dia aminy, nitety an’i Tsimbazaza sy Anosikely, nanomana io raharaha io. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa tsy vitsy ihany koa ireo vondrona politika manolotra ny anarany amin’i Andry Rajoelina, ho Praiministry ny marimaritra iraisana. Anisan’ireo nanolotra azy ny tariky ry Raharinaivo Andrianatoandro, izay mitonona ho Tiako I Madagasikara ara-dalàna. Ny tantara tsy fanadino. Ny fiandohan’ny taona 2009, fotoana mbola nampamaivay ny hetsi-panoherana ny fitondrana Marc Ravalomanana, notarihin’i Andry Rajoelina, Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany fotoana, dia anisan’ny nanohana ara-bola izany i José Vianey, filoha nasionalin’ny antoko RAM. Nisy taratasim-bola amin’ny anarany, misy sora-bola iray tapitrisa dolara mahery nalefa amin’ny anaran’i Andry Rajoelina tamin’izany.
Mazava loatra fa fandraisana anjarany tamin’ireny hetsika ireny io. Io no fantatra, fa tsy hay raha nisy hafa koa tany. Nanao sesitany ny tenany tany ivelany tany rahateo moa ity diplaomaty, solontenan’i Madagasikara teo anivon’ny Unesco ity, taorian’ireny raharaha 2002 ireny, ka mety tsy hahagaga ny amin’izany. Safidy rahateo ny azy, saingy ampy ilazana fa nandray anjara mivantana tamin’ny fanonganam-panjakana i Vijo. Koa raha resahina fa mamaly ireo fepetra takiana amin’ny praiministry ny marimaritra iraisana izy, dia minia mikipy manoloana ny zava-nitranga ihany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.