Politique

Joaquim Chissano Ho avy eto Madagasikara indray !


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Araka ny fantatra dia ho avy eto amintsika amin’ity herinandro ity Atoa Joaquim Chissano izay lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena amin’ny krizy eto Madagasikara. Tsy mbola fantatra mazava kosa hoe andro inona no higadonany eto Antananarivo, fa ny azo antoka fotsiny raha ny loharanom-baovao dia ho avy izy.

Azo adika avy hatrany izany fa mitombina hatreto ny vinavinan’ny maro fa efa kely sisa dia hivaha ny krizy satria hapetraka ihany ilay tetezamita iaraha-mitantana ahitana ny ankolafy rehetra. Nanatanteraka ny asa fanelanelanana taorian’ny fifampidinihan’ny samy Malagasy ny Dr Leonardo Simao sy ireo miara-miasa aminy avy ao amin’ny SADC, fa hamarana ny fandrafetana ilay sori-dalana kosa, aorian’ny mety ho fanitsiana maromaro atao aminy, no sady hanatrika ny fanaovan-tsonia i Joaquim Chissano.

Lamina maty paika mialoha ve sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ny fahatongavan’i Joaquim Chissano sy ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay izao no manitikitika ny maro, ary efa misy mihitsy aza no milaza fa mety hialoha lalana an’i Dada ity filoha Mozambikanina teo aloha ity ka hampitony ny mpitondra FAT izay misamboaravoara be ihany amin’izao fotoana, ary misy ny mitady hanaotao foana ka hisambotra an’Atoa Marc Ravalomanana.

Ao anatin’ny vinavina ihany koa ny hoe mety hiaraka higadona amin’ny fiaramanidina manokana eny Ivato izy mirahalahy ireto, satria efa nandeha ihany io resaka io hatramin’ny 2010 fa ny SADC no hanatitra an’Atoa Marc Ravalomanana eto. Fa mialoha izany rehetra izany aloha, dia efa eto amintsika ny filoha kaomorianina Ahmed Abdallah Mohamed Sambi, manatontosa fitsidihana amin’ny fomba ofisialy, hanamafy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, azo antoka fa horesahana mandritra ny fihaonany amin’i Andry Rajoelina rahampitso zoma ny fiverenan’i Marc Ravalomanana.

 
Nangonin’i RTT
 

Sary : Joaquim Chissano

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT