Niverina an-dalana rehefa nahavita sidina 20 minitra ny fiaramanidina manokana nitondra an’i Andry Rajoelina mivady tokony hihazo an’i Zambia, niaraka tamin-dRaharinaivo Andrianatoandro, Filohan’ny Kongresy, sy i Yvette Sylla, minisitry ny raharaham-bahiny.
Araka ny fampitam-baovaon’ny mpiadidy ny seraseran’ny Fahefana avon’ny tetezamita dia nihazohazo tsy nety tafakatra ny haavo tokony ho nizorany ilay fiaramanidina, hany ka voatery niverina an-tanety namonjy ny seranan’ny BANI Ivato niaingany, satria raha noterena dia mety ho nipoaka am-panidinana ilay fiaramanidina. Mbola io tati-baovao io no milaza fa rehefa nataon’ireo mpanamory roalahy ny fanamarinana ilay fiaramanidina rehefa teo am-pahatongavana dia tsikaritra fa efa nisy nampiasa ny lamba firakotra tao anatiny, ary efa nisy nanao maloto koa ny trano fivoahana. Sabotazy avy hatrany no nandikan’ny fiadidian’ny FAT ny zava-nitranga. Nisy ny mpiara-miasa akaiky tamin’ny filohan’ny FAT aza sahy nilaza mihitsy, teny Ivato omaly, fa olon’ny mpanohitra avy amin’ny Ankolafy telo no nanao io maloto io. Araka ny loharanom-baovao anefa dia nanazava tsara ireo mpanamory fa olana ara-teknika no mahazo ilay fiaramanidina. Tahaka ny zava-bitan’ny olombelona rehetra dia mety hisy olana ny fiaramanidina iray.
Nieren-doza ny filohan’ny FAT sy ny delegasiona notarihiny. Na izany aza dia niteraka resabe ity tranga ity. Sarotra inoana ihany mantsy hoe fiaramanidina manokana natao hitondra filoha izany no tsy voaara-maso. Amin’izay indray ka orinasa tsy miankina no tompon’ilay izy. Raha samy fiaramanidina koa dia ny “jet privé” no hentitra indrindra ny fikarakarana azy, amin’ny lafiny rehetra, ary raha samy eny Ivato dia ity “jet privé” mpitondra an’i Andry Rajoelina ity no tsara ambina indrindra sady tsara toerana ihany koa satria manana hangar manokana, tsy azon’iza n’iza idirana. Amin’izay indray dia mbola amin’ny tany miaramila, BANI Ivato no nipetrahany. Na ny anaran’ny toerana fotsiny aza dia midika fa hentitra ny fiambenana sy ny fiarovana ilay fiaramanidina. Fa maninona anefa no hoe efa nisy nampiasa ny fitaovana tao ary nisy nanao maloto koa nialoha ny nidiran’ny mpandeha ? Raha resaka maloto tokoa no olana, f’angaha moa izany tsy azo nojerena mialoha ? Misy tompon’andraikitra amin’izany anie amin’ireny e !
Raha lafiny teknika indray koa no olana, misy tompon’andraikitra ihany koa natao hanara-maso ny lafiny teknika fotsiny amin’ireny fiaramanidina ireny. Sao mba fandrebirebena saim-bahoaka indray àry ity, hoy ny fanehoan-kevitra avy any amin’ny faritany rehetra any omaly raha vao nandre iny vaovao iny tamin’ny haino amanjerim-panjakana. Mazava fa hisy ny hosamborina, dia io indray avy eo no mety hanonona anaran’olona. Anaran’iza no hovoatonona eo ? Iza indray no ho tapa-doha, hoy ny maro. Nanome baiko ny hanokafana fanadihadiana avy hatrany rahateo i Andry Rajoelina teo anatrehan’iny zava-mitranga omaly iny, ary nanafatra Injeniera ihany koa, hanao ny fitsirihana lalina mikasika ity fiaramanidina ity. Niverina nody an-trano i Andry Rajoelina na nikasa handeha omaly ihany aza, ka anio maraina no handray fiaingana indray amina “jet privé” hafa. Milaza ny hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety manodidina iny ambara fa sabotazy omaly iny anefa izy, mialoha ny hihazoany indray an’i Zambia, na Afrika Atsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.