Politique

Jeneraly Rasolosoa Dolin Misokatra ho an’ny ankolafy telo ny CST


  • Alakamisy 21 Aprily 2011

Mbola misokatra ho an’ny hery politika rehetra ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) araka ny nambaran’ny filohany ny jeneraly Rasolosoa Dolin.

Azo atao tsara ny fanitarana ity andrim-panjakana ity ka hampidirana ao anatiny mpikambana vaovao avy amin’ny mpanohitra tahaka ny Ankolafy telo, ohatra. Araka ny filazany mantsy dia ny tombontsoa iombonana no jerena fa tsy ny an’ny ankolafy izatsy na izaroa, koa raha ny fanitarana ny CST no sandan’izany dia tsy misy olana mihitsy. Tsy tokony hisy intsony, araka ny nambaran’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena ary atao ny fomba rehetra ahitana ny vahaolana amin’izany. Fa ny fanontaniana mipetraka araka ny nambaran’ny jeneraly Rasolosoa Dolin dia ny hoe : vonona marina ny hiditra ao amin’ny CST ve ny ankilany, izany hoe ny avy ao amin’ny Ankolafy 3 ? Hita mantsy araka ny filazany fa toa manao izay hampitarazoka ny famahana ny krizy izany ny mpanohitra satria mamilafila ny hiditra ao amin’ny rafitra tetezamita na dia efa mazava aza ny resaka fa tsy maintsy miditra ao izy ireo mba hahatanteraka ilay fiaraha-mitantana takian’ny sehatra iraisam-pirenena sy araka ny nambaran’ireo fifanarahana politika isan-karazany narafitra ho famahana ny krizy.

 
Nangonin’i RTT
 

Sary : Jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT