Politique

Jeneraly Camille Vital Ny hoavy politikany …


  • Alarobia 08 Jona 2011

Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy taorian’ny fifampidinihana tany Gaborone dia izay vao tena ho lasa ny jeneraly Camille Vital satria na hanaraka ny toromariky ny SADC na tsia i Andry Rajoelina dia tsy maintsy manolo praiminisitra.

 Manaratsy endrika ny fitondrana tetezamita mantsy ary tsy eken’ny vondrona politika maro eto an-toerana sy tsy ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ny fitazonana ity manamboninahitra ity eny Mahazoarivo noho izy hita mibaribary be fa manohana tsy misy fepetra an’i Andry Rajoelina, izy rahateo miaramila ary mbola am-perinasa. Ny foloalindahy anefa milaza fa tsy miditra amin’ny raharaha politika kanefa dia tena toerana politika izany praiminisitry ny fitondrana tetezamita izany ary tokony hiandraiketan’ny mpanao politika tena mahay mampihavana sy mampivondrona ny hery rehetra eto amin’ny firenena.

Manampy izany, araka ny tsiliantsofina re, efa malaza ratsy any ivelany any ny fomba fiasan’ny governemanatany sy ny ekipany amin’ity resaka “bois de rose” ity ka mampisalasala ny any ivelany, indrindra fa ilay fandehanana tampoka niondrana tatsy amin’ny nosy Kaomoro nanenjika ireo bolabola na bois de rose iray sambo saika naondrana an-tsokosoko. Ratsy toerana, araka izany, i Camille Vital tahaka an’i Monja Roindefo taorian’ny “Maputo II”. Maro koa no mieritreritra fa mety hosoloin’ny filohan’ny FAT ny jeneraly Vital mba hampisehoana indray fa efa misokatra sy mandefitra ny fitondrana tetezamita ka na ny olona nahavita be aza dia azo soloina. Efa paikady fampiasan’ny FAT hatramin’izay mantsy izy io, tsy te hampihena ny fahefany mihitsy i Andry Rajoelina ka ny an’ny hafa manodidina no andrimbinany na ataony sorona tsotra izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT