Ankoatra ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Sadc amin’ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana ho avy eo, handinika momba ny raharaha Madagasikara, dia mbola hisy koa ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina amin’ny alalan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana any Addis Abeba ny 30 mey, koa tena miankina amin’izany rehetra izany ny hoavin’ny fitondrana tetezamita sy i Madagasikara amin’ny ankapobeny mihitsy ary miandry ny fanapahan-kevitra hivoaka amin’ireo fihaonana ireo izao tontolo izao mialoha ny hanohizana na mbola hampiatoana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Araka ny nambaran’ny ambasadaoro Frantsay miasa eto Madagasikara, Jean Marc Châtaigner, dia miandry ny havoakan’izany fivoriana izany ihany koa ny fitondrana Frantsay.
Nohamafisiny ihany koa fa handalo ao Frantsa rahampitso alakamisy 12 mey ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina ka hihaona amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay Alain Juppé. Tsy fitsidihana amin’ny fomba ofisialy akory izy io, araka ny nambarany, fa fandalovana fotsiny ihany ka ny momba ilay sori-dalana no tena horesahan’ny roa tonta. Tsy nety nilaza ny heviny manokana kosa moa momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana sy ireo fanambarana ataon’ny mpanao politika etsy sy eroa ity diplaomaty frantsay ity fa nanambara fotsiny fa ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ihany no tena vahaolana hahafahana mivoaka amin’izao krizy izao ka hiverenan’ny fiaraha-miasa ny hanohizana ny asa fampandrosoana. Matoky aho, hoy i Jean Marc Châtaigner fa fanapahan-kevitra mety sy mahasoa an’i Madagasikara no horaisin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny Sadc ny 20 mey ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.